Andry Raobelina

“Vao sitrana eo dia mitohy ny tolona!”


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Mbola manohy ny fitsaboan-tena ny kandida ho filoham-pirenena, Raobelina Andry,

taorian'ny ratra nahazo azy tamin’ny faritry ny masony nandritra ny hetsika nataon'ny vondron'ireo kandida miisa 11 ny alatsinainy teo. Tsiahivina fa voan’ny pitiky ny baomba mandatsa-dranomaso moa ity kandida ity ary dia voatery nandalo fandidiana mihitsy vokatr’izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatramin’ny omaly. Vao maika mahery rehefa atao an'izao, hoy ity kandida ity. Vao maika mampitambatra ny antoko sy ny olona mpanaradia. Ny herisetra ohatran'izao no hiadiana sy hitsanganana. Te hanainga ny Malagasy aho hoe mijoroa fa am-pilaminana ny zavatra atao. Vao sitrana eo dia mitohy ny tolona. Misaotra anareo nampahery sy nitondra am-bavaka, hoy hatrany izy!
(Sary nindramina)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT