Andry Raobelina

“Ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara mihitsy no potika”


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Misy mizana mitanila ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny antoko

politika Anjomara sy rivo-baovao na ARB, Andry Raobelina, omaly, avy nanatitra ny antotan-taratasim-pilatsahan-kofidiany. Ny sasany, hoy izy, afaka mivory na aiza na aiza. Ny sasany sakanana. Efa mandeha daholo ny kolikoly avo lenta. Iaraha-manana ity firenena ity. Tokony apetraka voalohany ny tombontsoam-pirenena. Nanasonia ny tsy fanekena ny filatsahan-kofidian’ny filoham-pirenena ankehitriny izahay satria mazava tsara ny lalàna. Nangataka zom-pirenena frantsay ny filoha ankehitriny. Rehefa azony izany dia nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy. Ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara mihitsy no potika. Entina vazaha frantsay isika nefa i Frantsa no nanjanaka antsika malagasy. Ny raiamandrenibentsika nitolona tamin’ny 1947 ve izany matimaty fotsiny? Mampalahelo! Raha mametraka firotsahan-kofidiana ny filoham-pirenena ankehitriny dia mazava ho azy fa tokony hisy fanambarana iombonana hivoaka ihany eo fa ho itantsika eo. Ankoatran’izay, isan’ny sivana amin’ny kandida filoham-pirenena moa dia misy andininy iray tsy dia voaresaka mihitsy ao. Misy soratra ao hoe tokony hipetraka eto an-tanindrazana 6 volana mialohan’ny fanaterana antotan-taratasy toy izao ny kandida ho filoham-pirenena. Mody 6 volana mialoha eto an-tanindrazana izany raha mipetraka any ivelany fa tsy tokony hivoaka eto kosa raha mipetraka eto ao anatin’izay 6 volana izay. Gaga izahay fa misy kandida toa mivoaka ihany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT