Politique

Andry Raobelina “Ekena ny voka-pifidianana raha tsy misy hala-bato”


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Radisson blu Ambodivona ny fijoroan’ny antoko politika ARB na Anjomara sy rivo-baovao izay tarihin’ny filohany, Andry Raobelina.

Fotoana izao, hoy ity filoha ity, hitsofana anjomara hitondrana rivo-baovao hampiraisana indray ny malagasytaorian’izay am-polo taona maro nibahanana olona 2 na antoko 2 na vitsivitsy ny fitantanana ny firenena izay. Rivo-baovao hitondra fomba fanaovana politika hahafahan’ny rehetra miaina ao anaty fahalalahana sy fahafahana. Antoko politika hitarika fanafahana amin’ny fahaizana sy fitaizana olompirenena vanona, hanaja sy hampanaja lalana, hiahy ny tanindrazana sy tia tanindrazana, hanome lanja ny maha olombelona satria ny olombelona no loharanon-karena, hametraka lamina mati-paika hitantanana ireo harem-pirenena. Handrotsaka kandida amin’ny fifidianana rehetra ny ARB. Haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara no antom-pisian’ny antoko politika. Tsotra ny vina dia ny hanaisotra ny boky efa teo fa hanokatra boky vaovao. Misy ny fifampiresahana amin’ny hery politika hafa na vondrona politika hafa. Iray iraisana ny fampandrosoana ny firenena dia miaraka izahay fa raha misy tsy mifanaraka amin’ny vinan’ny antoko dia tsy miaraka izahay. Ekena ny voka-pifidianana raha tsy misy fangalaram-bato. Raha misy fangalaram-bato kosa, aleo hanandrana dia ho hitantsika. Ny tohin’ny asa moa dia tsy maintsy hanao ny kaongresim-paritra raha tsy misy ny sakantsakana. Kaongresy nasionaly atao eto Antananarivo no ao aorian’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT