Ny fahatsapana fa latsaka an-katerena tanteraka i Madagasikara tao anatin’izay efa-taona izay ka ilana fandraisana andraikitra maika amin’izay manandrify no nanosika an-dRakotovao Andriambololonirina na Andry Rakotovao tsy nisalasala ho kandida solombavambahoaka eny Avaradrano.
Fantatra io, nandritra ny lanonana tsotra nefa mendrika nitokanana ny foiben’ny fikambanana «Andrin’i Madagasikara» (Association Nationale pour le Développement Rural et Industriel de Madagascar) izay tarihan’i Andry Rakotovao sy ny fitsofan-drano ity farany natao teny Ambohimangakely, omaly zoma. Hiompana amin’ny fanampiana ireo tantsaha (Fampiasana masomboly nohatsaraina, teknikam-pambolena manaraka ny toetr’andro…) sy ny fanatsarana hatrany ny lalampiharian’ny vary ary ny fampitaovana ny indostria madinika ny fandaharanasany. Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny vary rahateo sady filohan’ny Vovonan’ny vary eto Madagasikara ny lehilahy. Distrika miisa 10 no ananan’ny fikambanana «Andrin’i Madagasikara» kandida ho solombavambahoaka any amin’ireo toerana mpamboly vary no maro amin’izany toy ny any Tsiroanomandidy, Amparafaravola, Moramanga… Handray anjara feno ihany koa amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, sefom-pokontany ny fikambanana.
Lalasoa R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.