Politique

Andry Rajoelina “Vonona ny rehetra hiara-hientana ho an’ny velirano 2023”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Hita fa vonona ny rehetra hiara-hientana sy hiray hina mba hanatanterahana ireo Velirano amin’ity taona 2023 ity.

Hiara-hiasa isika mba ho taonan’ny fandresena tokoa anie ity taona ity”, hoy ny Filoham-pirenena raha nandray ireo Mpikambana avy amin’ny andrim-panjakana samihafa izay niarahaba azy noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2023. Tam-pitiavana no nandraisanay mivady ireo firariantsoa rehetra avy amin’ireo andrim-panjakana, rafitra sy sampan-draharaha maro ary fikambanana sy mpiara-miasa tonga niarahaba anay teto Iavoloha, hoy ny Filoha tao amin’ny tambajotran-tserasera, ary naneho fa vonona ny rehetra ho an’ny taona 2023. Teo ny avy amin’ny Parlemanta roa ka nisy ny nampanantena tahaka ireo loholona fa dia tena vonona tanteraka ny hampandany indray an-dRajoelina amin’ny fifidianana 2023 fa tsy miala aminy. Manana tamberiny aminy rahateo moa ireo izay 90 avy amin’ny antokony na ny notendrena na ny nofidiana. Tena araka ny eritreritry ny Filoha sy ny mety ho araka ny fomba firesak’ireo manodidina azy ve anefa ny ho endri-javatra hiseho amin’ity 2023 ity? Ankoatra ireo parelemantera, toy ny mahazatra dia tonga niarahaba ny Filoha ireo avy amin’ny andrim-panjakana samohafa, toy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny Vaomieram-pifidianana CENI, ny Mediatora, ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM , ny komity miaro ny fahamendrehana (CSI), ny BIANCO, ny SAMIFIN, ary ny ARAI.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT