Politique

Andry Rajoelina Voan’ny NOTAM


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Ny olona tsy matanjaka sy milaza fa manana ny heriny kanefa tsy manana izany akory, dia miezaka mampiasa ny lalàna sy mpitandro ny filaminana, hoy i Andry Rajoelina,

omaly zoma nanoloana ny fanakanana azy tsy hihaona tamin’ny mpanohana azy tany Mahajanga. Nasain’ny ben’ny tanàna Mokthar Salim Andriantomanga hiara-kitokana lalana sy efitrano fanatanjahantena manara-penitra ary hanolotra kamio manara-penitra izy, saingy voasakana. Efa nisy ny alalana tany am-piandohana. Vao re anefa fa ho avy i Andry Rajoelina dia nofoanana. Nampiakatra ny raharaha tany amin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny ben’ny tanàna, ka nandresy. Natao izay fomba rehetra tsy hahatongavako tany Mahajanga, hoy i Andry Rajoelina. Tsy navelan’ny ASECNA niainga, ary rehefa nanontaniana ny ACM dia noho ny antony politika dia tsy afaka miainga ianareo, hoy izy. Raha ny antony teknika momba ny fiaramanidina sy ny mpanamory kosa dia tsy misy olana. Nifindra tamin’ny Air Madagascar indray izy sy ny fianakaviany, ary efa nahazo tapakila, efa velona mihitsy aza ny maotera, ary efa nandeha ny toromarika. Nilaza indray anefa ny “hotesse”, fa noho ny baiko, dia nanapa-kevitra ny governemanta fa tsy afaka miainga io sidina ara-barotra io, ka nasaina nivoaka ny olona. Nanontaniana ny tompon’andraikitra, ka baiko avy amin’ny filoham-pirenena izany, raha ny nambaran-dRajoelina. Tsy ho mandrakizay no eo, ary ho eto foana isika hifampitsara sy hotsarain’ny vahoaka eto, hoy hatrany izy.  Manoloana ny fanakanan’ny mpitandro filaminana, dia ny mpamono olona, ny mpangalatra, mpanao “kidnapping” no tokony hohenjehin’ny mpitandro ny filaminana fa tsy ny olom-boafidy sy olom-pirenena hanasoa ny vahoaka, hoy Rajoelina. Ny zo fototra sy ny lalàmpanorenana no voahitsakitsaka, ary izao ihany koa dia mbola mikitikitika ny lalàm-pifidianana hahafahana mifikitra amin’ny fahefana. Tsy maintsy ho avy hanokana ny fotodrafitrasa homena ny mponina sy ny tanora aho, hoy kosa ny fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita. Miverina eto ny jadona, ka tsy azo ekena, hoy izy. Tsaroan’ny rehetra tsara anefa ny natao tamin’i Marc Ravalomanana mivady tamin’ny andron’ny tetezamita. Fiaramanidina efa tonga eto aza tsy navela hipetraka, ary hahatsiarovana ny tenin’ilay mpitari-tafiky ny HAT tamin’izany fotoana hoe tifirinay, raha mbola mitetika hiditra eo. Olona an’aliny, ohatra, no nody maina tamin’ny 21 janoary 2012 saika hitsena ny filoha teo aloha, ary tsy tafaverina teto raha tsy efa niala i Andry Rajoelina. Ny natao ihany no miverina, tratry ny NOTAM Rajoelina saingy nahasoa ny firenena ve anefa ny fifanenjehana lava na izany aza ?


Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy 10-11-12, dia milaza fa malalaka ny Malagasy handeha hivezivezy, hivory,… satria izany no zo fototra, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala. Any an-tranomaizina ny olona no fehezina sy ferana ny fandehandehanany. Sao dia diso toerana ianareo, fa tsy io no asa tokony hataonareo, fa any amin’ny fiandrasana fonja, hoy izy mantsy ny mpitondra.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT