Politique

Andry Rajoelina Voaantso any Frantsa indray ?


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Misamboaravoara tanteraka ny Fitondrana Rajoelina amin'izao fotoana izao. Nisy ny resaka re avy any anaty etamazaoro politikan'ny Fitondrana nilaza fa voaantso maika nankany Frantsa ny Filoha Rajoelina.

Tsy nisy ny aloha ny fanamarinana ny fisian'io, fa ny tsikaritra dia lasa aloha be ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 21 jona io. Raha ny fivoriana iraisam-pirenena aloha dia misy ho tanterahana ao Paris anio alakamisy sy rahampitso zoma ny « sommet mondial pour un nouveau pacte financier mondial », hisy mpandray anjara hatrany amin’ny 200 ahitana filoham-pirenena sy lehibena governemanta.Fihaonana handinihana ny hanatsarana ny fifandfraisan’ny tavaratra sy ny tatsimo, ary misy ifandraisany amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana ihany koa. Fa dia hoe tsy maintsy ny Filoham-pirenena ve no mandeha any amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao, afaka misolo tena tsara azy any anefa ny praiminisitra. Mahatonga ny feo mivoaka hoe : mety endrika ivelany handehana any Frantsa fotsiny ity fivoriana ity fa mety zavatra hafa mihitsy no anton-dian’ny Filoha Malagasy any indrindra taorian’ity resabe momba ny fananany zom-pirenena Frantsay ity.
VAO HAINGANA
Etsy ankilan’izay, vao ny 09 jona no nisy ny fihaonana manokana teo amin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy Andry Rajoelina, izay nanaovan'ny Fanjakana serasera fa vonona hanampy amin'ny politikam-panjakana PEM ny Frantsay, hanohana ny tetikasa maro toy ny angovo azo havaozina,... fa indrindra vonona handrotsa-bola ao anatin'ny kitapom-bola "basket fund" hanatanterahana fifidianana. Izay fifampiresahana politika tsy fantatra loatra, fa izay aloha ny Ofisialy. Tampoka teo, nivoaka ny taratasy tsiambaratelo milaza ny fizakan'i Andry Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay izay tsy tongatonga ho azy. Niteraka fanasokajiana azy ho mpamadika tanindrazana, ary tonga hatrany amin'ny fitakiana sy fitoriana hanonganana azy io. Homena toromarika i Andry Rajoelina sa hobedesina taorian'ny resabe? Sa kosa efa politika avo lenta hamelezana azy satria tsy mahatoky azy intsony Lafrantsa ka homena toromarika hoe: mipetraha tsara amin'izay ianao? Na teo aza ny fihaonany tamin'i Emmanuel Macron, heverina fa manara-maso akaiky ny zava-misy eto i Lafrantsa, vao herinandro no nanao fakan-kevitra politika teto ny iraky OIF na ny Frankofonia. Tsy atokisan'i Lafrantsa intsony ve i Andry Rajoelina ka hisafidy olon-kafa amin'izay izy? Io Filoha io izay voalaza fa nampiasain'i Lafrantsa tamin'ny 2009 raha ny fanambarana nataon'ny Amiraly Ratsiraka fahavelony. Andrasana izay mety ho fanazavana ofisialy, fa raha lasa tokoa dia midika zavatra goavana ara-diplaomatika sy jeopolitika... Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT