Politique

Andry Rajoelina Tsy te hitazona ny anarana MAPAR ?


  • Zoma 13 Aprily 2018

Tsikaritra tsy te hitazona an’io anarana MAPAR io intsony i Andry Rajoelina, fa toa nivadika tanteraka any amin’ny fampalazana ilay hoe IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar).

 Vakivaky ny antoko, ary eny amin’ny antenimieram-pirenena izao, dia misy ny vondrona parlemantera MAPAR1, MAPAR 2, MAPAR 3, izay ny iray ihany no manohana an’i Andry Rajoelina fa ny roa ambiny efa namadika sy niara-dia amin’ny HVM. Na izany na tsy izany anefa, dia mbola io anarana io no entin’ireo depiote tena mpanohana an-dRajoelina. Ankoatra ny fisaraham-bazana nanomboka ny taona 2014, dia nihen-danja ny tanjaka ara-politikan’ny MAPAR sy ny TGV, ary nandeha ny antsojay isan-karazany nahazo azy ireo. Tsy hita mandrak’androany ny loholona Lylison, saingy ny mahagaga dia tsy rototra firy i Andry Rajoelina. Noroahina tamin’ny trano nitoerany ny depiote Christine Razanamahasoa. Malaza fa hongotana amin’ny toerany ny ben’ny tanànan’i Mahajanga Mokthar Salim Andriantomanga. Tsy nisy aloha hatramin’izao ny tena fanambarana ofisialy nataon’ny antoko TGV sy ny vondrona MAPAR manameloka ireny. Manana ny paikadiny manokana ve izy ireo, ka minia mangina ? Sa kosa manaiky fa sarotra aloha hatreto ny hanangam-bovona amin’ny HVM ka aleo mitandrina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT