Politique

Andry Rajoelina Tsy miteny tsy mivolana


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Mahagaga ireo mpanara-baovao ny tsy fahitana hatramin’izao ny filoha mpanorina ny vondrona Mapar, Andry Nirina Rajoelina, amin’izao vanim-potoana heverina fa mamaivay ho an’ny vondrona politika izay tarihiny izao.

Hatramin’ny fiandohan’ny raharaha Lilyson ka hatramin’izao raharaha nampidoboka am-ponja ny minisitra teo aloha, Augustin Andriamananoro, izay samy mpikambana mavitrika ao anatin’ny vondrona misy azy izao dia tsy nandrenesam-peo mihitsy ny filoha Andry Nirina Rajoelina. Ity minisitra teo aloha ity izay azo lazaina fa anisan’ireo tanana ankavanan’ny filohan’ny Mapar. Ny mahagaga anefa dia fikambanana manohana ity filoha ity no nanomboka mijoro milaza ny heviny fa tsy mankasitraka ny antsojay atao amin’ny minisitra Andriamananoro sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo ankehitriny. Rahoviana ary ny fotoana mety hitenenan’ny filohan’ny Mapar amin’izay ?

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT