Politique

Andry Rajoelina “Tsy mendrika ho filohan’ny tetezamita”


  • Alarobia 26 Oktobra 2011

Ho an’Atoa Rajaonah Andrianjaka, filoha mitarika ny Otrikafo dia tsy mendrika intsony hitantana ny tetezamita Atoa Andry Rajoelina satria “tsy mahavita azy, tsy mahatafavoaka ny firenena amin’ny krizy, ary toa vao mainka aza mandentika anaty lavaka ny Malagasy”.

 Farany lava ireo fivoriana ambara fa hikaroham-bahaolana amin’ny krizy, araka ny nambaran’ity filohan’ny antoko Otrikafo ity. Efa iaraha-mahita izao anefa fa tsy misy azo antenaina amin’izy ireny, hoy ihany izy. Nahitsy moa izy raha nilaza fa tsy azo itokisana hanavotra ny firenena raha i Andry Rajoelina ary tsy azo antenaina hamaha ny krizy. Izay no zava-misy, hoy Atoa Rajaonah Andrianjaka koa dia anjaran’ny vahoaka no manapa-kevitra ny amin’ny tokony hatao.

Ny Otrikafo moa dia mahita fa tsy vahaolana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny sori-dalan’ny SADC izay nosoniavin’ireo ankolafy politika teny Maibahoaka ny 17 septambra 2011 teo. Ho azy ireo dia paika sy tetika hanjanahana an’i Madagasikara no ataon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC. Ny fanovana ny rafitra hatrany ifotony no ilaina eto Madagasikara raha ny fahitan’ny Otrikafo azy fa tsy fanovana filoha na lalàmpanorenana. Maro, araka ny fahitan’ity antoko ity azy, ny zavatra tsy milamina any anaty fiarahamonina any, ary nanome vahana ny gaboraraka sy ny fahalovana ny rafitra nisy teto hatramin’izay. Tsy afa-bela amin’io koa anefa ny mpanao politika malagasy izay tokony hanova famindra fa tsy hiandry baiko lava avy any ivelany. Tsy mba anisan’ireo antoko nandray anjara tamin’ny fivoriana nokarakarain’ny SADC ny Otrikafo, tsy nanasonia ny sori-dalana ary mazava ho azy fa tsy nanolotra kandida ho praiminisitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT