Andry Rajoelina

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ny Kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina,

raha ny nambarany omaly. Nilaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana izany satria ny lalàmpanorenana no namaritra ny datin’ny fifidianana. “Isika dia mandala ny ara-dalana hatrany. tsy mitombina ny antony voalaza hanemorana fifidianana. Ireo kandida hafa no tara “départ” satria varina nitarika olona teny an-dalambe”, hoy I Andry Rajoelina tany Ambaja omaly. Nilaza hanohy ny fanaovana propagandy, ka anio dia ho any Port Bergé ary sabotsy any Fianarantsoa. Rehefa amin’ny heveriny fa tombotsoa politikany, dia hain’I Andry Rajoelina no mitanisa lalàmpanorenana sy lalàna, ka na iaraha-mahita aza ny loza mandindona ny firenena eo anatrehan’ny amboletra politika hanatanterahana fifidianana tsy azo antoka sy ahiana ho efa misy hosoka goavana kotrehina dia teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza. Hain’Atoa Andry Rajoelina ny mitanisa lalàmpanorenana rehefa misy zavatra tsy metimety aminy, kanefa raha mpitondra nandika an’io angamba dia izy ireo no sangany, raha tsy hilaza afatsy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy 2018 fotsiny. Angaha tsy didy tsy azo ivalozana indray ny didin’ny HCC izay nanemotra an’io sa mandeha ny sinema politika ka mody holalaovina avy eo hoe: isika manara-dalàna, mandefitra, hajaina ny didin’ny HCC? Angaha koa moa ireo Firaisankinan’ny kandida efa nilaza sy naneho fa mankasitraka sy afa-po 100% amin’io fanapahan-kevitra io? Tena izay ve no takiany sa fanadiovana ny fifidianana sy fiverenana amin’ny tany tan-dalàna, fa indrindra ny fiandrianam-pirenena hanoherana ny fikatsahan’ny vazaha taratasy hanao amboletra hitondra an’I Madagasikara?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT