Miditra an-tsehatra sy manao ny serasera momba ny tsy fankasitrahana ny volavolan-dalàm-pifidianana i Andry Rajoelina. Tsikaritra ho mikoropaka tanteraka satria mety anisan’ny olona ho lasibatra ihany koa, raha toa ka lany tsy nasiam-panitsiana io volavolan-dalàna io.
Hiteraka savorovoro ary natao ho an’ny tombontsoan’ny kandidam-panjakana io, hoy izy. Tsy misy intsony ny adihevitra ao anatin’ny lalàna izay hatolotra fa ao anatin’ny kolikoly avo lenta sy ao anatin’ny tombontsoa manokana, hanambazana ny solombavambahoaka. Tsy ny rehetra no azo vidiana fa misy kosa ny efa tonga saina, hoy i Andry Rajoelina. Nambarany fa ny zo fototra maha olom-pirenena ny tsirairay mihitsy no voahitsakitsaka. Anisan’ireny ny hoe hosivanina ny olona izay efa voasoratra ao anaty lisi-pifidianana, ary verezin-jo ny Malagasy. Betsaka ny isam-pokontany no mahafantatra ny mpomba an-dRakoto na Rabe, ka any amin’ireny no hanaovana kajy. Nokianiny mafy ihany koa ny resaka famatsiam-bolan’ny kandida amin’ny fifidianana hoe inona no manakana ny famatsiam-bolan’ny orinasa na mpiara-miasa avy any ivelany ? Eo ihany koa ny resaka fampielezan-kevitra 7 andro ho an’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoha. Tsy mitombina, tsy rariny ary tsy ekena ny fanaovana bontolo, hoy izy. Na tsy nivantana aza i Andry Rajoelina dia nilaza fa izany no efa niadiavantsika teto. Ny raharaha 2009 no heverina fa tiany hambara amin’io izay nanenjehan’izy sy ny olona nanosika azy an’i Marc Ravalomanana, ka nisian’ny fanonganam-panjakana. Na izany na tsy izany, manoloana ny karazana fanambaran-kery eo amin’ny TIM sy ny MAPAR amin’ity raharaha mikasika ny lalàm-pifidianana ity, dia raha mbola tombontsoam-bahoaka sy i Madagasikara no resahina dia aleo miray feo, hoy izy. Nambarany, fa mahatsapa ny rehetra fa hiteraka korontana ity lalàna ity, ka aleo ny hoavin’ny firenena no jerena. Izay no mahatonga ny fiarahana amin’ny ankolafin-kery mitovitovy hevitra, raha nambarany. Ampy izay ny krizy niainan’ny vahoaka, ampy izay ny fifandonana sy ny aina nafoy noho ny fitiavana fahefana be loatra, hifikitra amin’ny fahefana, hanamboarana ny kajikajy amin’ny lalàna, hoy Rajoelina. Hihetsika sy hanao tahaka ny 2009 ve ny tenany raha lany eo io lalàna io ?
Nandeha ny resaka momba ireo angidim-by maro izay nambara fa an’i Andry Rajoelina. Tsy ahy ireo ary anananay ny antontan-taratasy fa azy ireo izany. Inona no zavatra hafenina amin’izany ? Fantatsika ihany koa hoe aiza no misy an’izany ? Ao ambodivona ao ambadiky ny Viva, ka mba alaivo sary an-tsaina ny tena tompony, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.