Politique

Andry Rajoelina Tena Frantsay marina


  • Zoma 16 Jona 2023

Nohamafisin’ny gazety Frantsay Le Monde nivoaka omaly alakamisy 15 jona fa tena mizaka ny zom-pirenena Frantsay tokoa ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina.Nisy,

hoy ity gazety ity ny resaka nifanaovana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika, Romy Voos Andrianarisoa, ka nanambarany fa Gasy ray, gasy reny, ny filoha Andry Rajoelina, fa kosa manana ra Frantsay amin’ny alalan’ny razambeny, ary misitraka ny zom-pirenena roa, izany hoe Malagasy sy Frantsay. Mazava aloha izay ny amin’iny. Nambaran-dRamatoa Romy Voos Andrianarisoa fa fanakorontanana politika ihany angamba ny fivoizana resaka fa tsy tokony hanana zom-pirenena Malagasy intsony izy ka aleonay mifantoka kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy, hoy izy. Nipoitra ihany koa izay zavatra tsy mahagaga intsony anefa fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany koa Ramatoa Mialy Razakandisa, vadin’ny Filoha Rajoelina sy ireo zanak’izy ireo telo mianadahy izay samy mianatra any ivelany moa amin’izao fotoana.Zon’izy ireo tanteraka izany, raha ny fianakaviana akaiky angamba tsy hisy hiadiana hevitra be loatra fa ilay filoham-pirenena mizaka zom-pirenena roa no manahirana ny maro. Mivadika any amin’ny politika sy ny diplaomasia avy hatrany mantsy ny adihevitra hoe : tsara toerana marina ve hiaro ny tombotsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy ny olona iray mizaka ny zom-pirenen’ilay firenena nanjanaka an’i Madagasikara, indrindra fa ao anatin’izao vanim-potoana manahirana izao. Eo koa ny hoe : ary resaka fampiesonana fotsiny izany ny hoe ho takiantsika ary tsy maintsy averina amintsika manontolo ny Iles Eparses . Tsy Andry Rajoelina amin’ny maha olombelona azy mizaka zom-pirenena roa no olana, fa ilay amin’ny maha Filoham-pirenena azy . Ary ny tena nahatalanjona dia ny hoe : nahoana no nafenina mafy ity resaka Andry Rajoelina Frantsay ity hatramin’izay.Tena mety hafa mantsy ny fandehan’ny tantara tamin’ny fifidianana 2018 raha efa nivoaka tamin’izany io resaka io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT