Andry Rajoelina sy Ntsay Christian

«Samy olon’ny frantsay, hiaro ny tombontsoa frantsay»


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Ilaina foana ny adihevitra mitohy mba hivoahan’izay mahasoa ny firenena, hoy ny antoko politika Teza.

Tsy niaraka tamin’ny Firaisankina izahay, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa, saingy tsy midika izany hoe tsy misy hevitra tsy hiraisanay aminy. Misy koa ny tsy hiraisanay fa ny an’ny Teza dia ny hoe andao hametraka fitsipiky ny demokrasia tena mendrika an’ity Madagasikara ity, izay isika rehetra tsy misy fanilikilihana no manao azy, eny, na avy ao amin’ny fitondrana aza raha mazoto izy. Mifaninana amin’izay rehefa mipetraka tsara ny fitsipi-dalao madio. Tsy misy na inona na inona azo andrasana amin’ny governemanta vaovao. Na ny filohan’ny repoblika amin’izao fotoana izao, Andry Rajoelina, izay efa niofo na «naturalisé» frantsay dia tsy maintsy miaro ny tombontsoa frantsay, na ny praiminisitra Ntsay Christian, aminay Teza dia olon’ny frantsay daholo ireo. Samy olon’ny frantsay i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian ka ny fiarovana ny tombontsoa frantsay no betsaka eto. Samy natao hiaro ny tombontsoa frantsay ireo. Jereo ireny teleferika ireny! Lafobe ny vidiny, trosa! Ampiasaina eto nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Sady bokan-trosa isika no mbola mamatsy fahavoazana satria io tsy mandeha fotsiny amin’izao fa mandeha amin’ny herinaratra. Izany no fiarovany tombontsoa frantsay. Tamin’ny tetezamita ireny, Airbus efa brokatera tary no noterena novidiana. Niantso ny afrikanina rehetra ny rosianina farany teo dia nametraka mazava fa afaka mamatsy varim-bazaha ho an’ny firenena mahantra. Afaka manome zezika maimaimpoana ireo firenena tena latsaka an-katerena. Isan’ny mpamokatra zezika be dia be avy amin’ny solika ny rosianina. Nony tonga teto ny delegasionintsika dia ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha nanao tatitra dia hoy ny frantsay sy ingahy Andry Rajoelina hoe tsy mahazo maka an’izany isika fa isika efa misy ny Agrivet mamatsy zezika dia tsy naka. Izao 5000 Ariary ny kilaon’ny zezika eto. Raha mba tonga taty nefa izao izany mety mba 1000 Ariary no kilao. Raha manana 10.000 Ariary izany ny tantsaha iray dia nahazo 10kg saingy satria teren’ny frantsay hiaro ny tombontsoany ingahy Andry Rajoelina dia 2kg fotsiny no azon’ny 10.000 Ariary. Isika no mizioga ny tombontsoa frantsay eto nefa zavatra tokony hiditra amintsika. Io JIRAMA io izao dia tsy vahana satria «groupe électrogène» na sampana mpamatsy herinaratra no mampiodina azy. An’ny Henri Fraise izany, an’ny Karàna, indo-pakistanais manana zom-pirenena frantsay. Ny «groupe électrogène» nefa no lafo indrindra eran-tany amin’ny resaka angovo. Voatery tsy maintsy miaro tombontsoa frantsay isika nefa raha mividy angovo azo avy amin’ny masoandro any Sina, ohatra, dia ny vidin’iny fotsiny no zogaina fa ny tohiny fitangosam-bola. Mitango vola fotsiny isika dia manamboatra ivotoerana mpamatsy herinaratra tsikelikely. Efa lasan’ny Madagascar oil ny Tsimiroro dia tsy maintsy vidiana fa tsy omena anao maimaimpoana na dia eto Madagasikara aza. Izany rehetra izany no mampiseho fa rehefa babakoton’ny frantsay no mipetraka eto dia tsy misy azo andrasana amin’ny governemanta. Hiakatra io ny vidin-tsolika. An’ny frantsay sy karàna ny solika eto, hoy hatrany ny antoko politika Teza.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT