Politique

Andry Rajoelina “Sokafana avy hatrany ny fanadihadiana…”


  • Talata 30 Aogositra 2022

Mandray andraikitra ny fanjakana foibe ary manome tanana ny olomboafidy raha ny mikasika ny raharaha Ikongo, hoy ny tatitry ny tomponandraikitry ny seraseran’ny filoham-pirenena teo aloha, Rinah Rakotomanga.

Nitatitra moa ny tenany fa mipetraka ireo fandaminana ataon'ny tafika malagasy. Hidina any an-toerana ny minisitra misahana ny ministeran'ny fiarovam-pirenena rahampitso (TTF: anio) miaraka amin'ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izay mamita iraka any amin’ny faritr'Alaotra. Nanambara ny alahelony noho ny famoizana mpiray tanindrazana sy ny fepetra napetraka manodidina ity raharaha ity ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay manaraka akaiky avy any Paris-France ny fizotry ny toedraharaha ka nilaza fa tamin’alahelo lehibe no nandrenesany ny zava-nitranga, ny tifitra, namoizana ain’olona am-polony tany Ikongo omaly. Miara-ory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ny filoham-pirenena ary miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy. Manamafy ihany koa anefa fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary sokafana avy hatrany ny fanadihadiana mba hahalalana faran’izay haingana ny antony marina sy ny tomponandraikitra tamin’ny zava-nitranga. Sarobidy loatra ny aina koa miantso ny rehetra ny filoham-pirenena mba ho tony hatrany sy hitandro hatrany ny fihavanana izay soatoavina ijoroantsika malagasy, hoy hatrany ny tati-baovao nataony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT