Politique

Andry Rajoelina Ny manodidina azy ihany no mamitaka azy


  • Talata 03 Septambra 2019

Niditra an-tsehatra ny filohan’ny Repoblika raha araka ny fantatra, tamin’ilay raharaha nisamborana sy nanadihadiana mpanao gazety mpanohitra, vao nilamindamina ny raharaha.

 

 

Midika izany fa mbola hoditr’akondro ho azy indray no niseho avy amin’ny manodidina azy. Mila mandray an-tanana tanteraka ny raharaham-pirenena ny filoha fa tsy mihaino fotsiny ny manodidina azy izay be loatra ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Izao niharatsy indray ny endriky ny fitondrana tao anatin’ny fotoana fohy. Ny tsy fitandremana kely monja dia mety hiteraka zava-doza ho an’ny firenena. Miha ratsy laza noho ilay fisamborana olona sy fitaritarihana mpanao gazety teny amin’ny polisy misahana ny “cybercriminalité” sy teny amin’ny fitsarana ny fitondram-panjakana. Zavatra azo nifandinihana tsara anefa ny vaovao nivoaka tamin’ny facebook, tahaka ny hoe asio fanitsiana raha toa ka nisy tsy nety na tsy ampy fa tsy tonga dia manenjana mampiasa fahefana. Fa firifiry moa eto Madagasikara no mamoaka vaovao hafahafa ao anaty facebook ? Raha ireny olona rehetra ireny no antsoina eny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava sy alefa fitsarana tsy ho feno ny fonja ? Ary firifiry ny olona maneran-tany no mamoaka zavatra tsy voahevitra na hafahafa na tena diso mihitsy ao anaty facebook ? Misy tena manevateva filoham-panjakana mihitsy. Anisan’ny voa mafy amin’izany ny filoha Amerikanina Donald Trump, ny filoha Frantsay Emmanuel Macron, ny filoha Rosianina Vladimir Poutine, eny fa na ny mpanjaka vavy Anglisy sy ny Papa Ray masina aza dia mahazo ny anjarany fa tsy nisy fanjakana tonga dia nanetsika mpitandro filaminana sy fitsarana izany. Hafa raha resaka asa fampihorohoroana na tena fitaomana ny olona hikomy amin’ny fanjakana. Any Etazonia aza dia efa ekena ny fanaovana horonansary manaratsy sy manatsikafona ny sokajiana fa toetra ratsin’ilay kandida mpifaninana ho filoham-pirenena rehefa raikitra ny propagandy. Tsy mora ny manaiky ny olona tsy mitovy lalan-tsaina amin’ny tena saingy tafiditra ao anatin’ny fomba fiainana amina firenena demokratika izany, raha tsy tany mandala ny demokrasia intsony angaha i Madagasikara. Manaraka akaiky iny raharaha elikoptera iny ny olom-pirenena tsotra, ny mpanao politika, ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara,... Ho sahirana amin’ny fahazoana fanampiana na famatsiam-bola ny fitondram-panjakana raha diso famindra eo satria entanin’ny fo ranomafana na ny hambom-po diso toerana. Dia sanatria zavatra nivoaka tamin’ny facebook ve no hampikatso ny asa fampandrosoana kasaina atao amin’ny alalan’ny IEM, dia avy eo hanilika ny rihitra any amin’ny hafa dia lazaina indray fa ireo fahavalom-pirenena no fositra tsy mampandeha ny asan’ny fitondrana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT