Nisy ny fangatahana na « requête »
napetraky ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina tamin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana (HCC). Fangatahana tamin’ny HCC mba handinika indray ny didim-pitsarana laharana n°10-HCC D3 tamin’ny 14 oktobra, ka hamerenana amin’ny laoniny ny filaminam-panjakana amin’ny fampiharana hentitra ny fepetra voalazan’ny Lalàmpanorenana mikasika ny mpisolo toerana ny Filoham-pirenena. Ny 17 oktobra teo fotoana fohy nialohan’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael no nametrahan’i Rinah Rakotomanga izany. Niara-niasa tamin’ireo mpisolovava azy I Andry Rajoelina dia ny Me Knight Wesley Jaorazavelo sy Me Rafik Asgaraly. Niezaka nanazava ny antony nitoriany ny filoha teo aloha izay mamaritra fa : ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana ny fitorian’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena lefitra, fanitsakitsahana ny fahaleovantenan’ny mpitsara sy ny tsy fitanilàn’izy ireo, tsy fisian’ny fifampidinihana, fanovana mazava ny ora nanaovana fanapahan-kevitra, tsy fanajana ny fitsipika momba ny fifandresen-dahatra, fahadisoana amin’ny famaritana ara-dalàna ny fahabangan-toeran’ny Filohan’ny Repoblika, ary ny fanendrena manamboninahitra miaramila ho mpisolo toerana amin’ny asan’ny Filoham-pirenena. Nolavin’ny marin-dranoavy hatrany anefa io fitoriana io. Araka ny fanazavan’ny Fitsarana, dia nosokajiana ho fikasana hampiova fanapahan-kevitra efa noraisina no tena votoatin’ilay fangatahana, izay voararan’ny andininy faha-120 ao amin’ny Lalàmpanorenana milaza fa “Ny didy sy fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia arahan’anton’ny fanapahana, ary tsy azo ivalozana amin’ny fitoriana hafa na « recours » intsony…”. Ny 24oktobra no nanapahan’ny HCC an’io. Nifanandrify tamin’io ihany koa raha ny daty no nivoahan’ny fanapahana nivoaka tao anatin’ny Gazetim-panjakana ofisialy noraisin’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, fa tsy manana sy tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony i Andry Rajoelina, araka ny andininy faha-42 amin’ny didy laharana faha-60-064 tamin’ny 22 jolay 1960. Tsy olom-pirenena malagasy intsony i Andry Rajoelina, fa lasa vahiny amin’ny lafiny ara-panjakana malagasy. Very avokoa ny zo ara-pifidianana: tsy afaka mifidy, tsy afaka mirotsaka hofidiana, tsy afaka mitana andraikitra amin’ny fanjakana. Tsy azo fidiana amin’ny fifidianana nasionaly. Tsy afaka mitana andraikitra natokana ho an’ny teratany malagasy. Very ny fahefana ara-politika sy ara-kevitra eto. Faharesena maromaro no azon’i Andry Rajoelina tao anatin’ny iray volana : resy tamin’ny fiezahana nanetsika olona teny an-dalambe nandritra ny hetsi-bahoaka, resy taorian’ny fampiasan-kery ka nitsoaka an’i Madagasikara, resy tamin’ny resaka zom-pirenena, resy tamin’ny fitoriana teny amin’ny HCC,… Zava-dehibe ho an’ny Malagasy izany saingy mbola vao dingana ihany satria ny tena tanjona dia ny fandresena ny fahantrana ! Mila mailo ihany koa ny Fanjakana eo anatrehan’ny fikononkononana asa fanakorontanana samihafa ataon’ny mpanohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.