Politique

Andry Rajoelina Niseho ho mpanome lesona amin’ny fananganana indray


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Fitokanana ny Kianja Masoandro na “colisée” nampiady hevitra tao Anatirova no tena tao ambadiky ny fanokafana ny Rovan’I Madagasikara omaly 18 jona 2023

Ny fitokanana ny kianja masoandro dia hitondra masoandro ho an’I Madagasikara, hitondra masoandro ho an’I Madagasikara”, hoy I Andry Rajoelina. Io izay nampiady hevitra hatry ny ela, ka nisy tamin’ireo taranaky ny Andriamanjaka no nanakiana mafy an’io ho fanotana fady, ka mety hitera-doza. Asa na fifandrifian-javatra ihany ny fisian’ny loza mahatsiravina samihafa izay namoizana ain’olona na ahoana? Iray tamin’ireny ny loza mahatsiravina nahafatesana olona am-polony taorian’ny fianianan’ny Filoha ankehitriny ny 19 febroary 2019. Nisy mihitsy ny filazana tany aloha, fa izay mpitondra Fanjakana nanota fady teo, dia niongana avokoa. Nilaza ny Filoha Rajoelina fa betsaka ny zavatra mitamberina, dia ny fahamaizan’ny Rova. Rehefa may tamin’ny 1995 dia setroka no tazana, alahelo sy ranomaso satria lavenona sisa. 28 taona aty aoriana vao tafatsangana indray, reharehantsika Malagasy, ary afaka hamelona indray ny fitiavan-tanindrazana. Nasiana fanavaozana iray manontolo ireo lapa. Ny Fanjakana Ravalomanana izay naongany tamin’ny 2009 moa no nanomboka sy nanao ireo asa lehibe na “gros œuvre” tao anatin’ity fanarenana ity, ary misy tsipaikaikan’ny Malagasy ny nahavitan’io. “Ny zavatra iainantsika androany, na efa potika sy lasa lavenona aza dia azo atao ny manarina sy manangana zavatra efa simba. Na dia miaina ao anatin’ny fahantrana aza ny Malagasy tao anatin’ny taona maro, dia azo atao ny manarina sy manorina ary manangana Madagasikara vaovao. Izany no ataontsika,…”, hoy i Andry Rajoelina. Niseho ho mpanome lesona amin’ny resaka fanarenana sy fananganana indray ingahy Filoha, ka asa hoe tahaka izany tokoa ve endri-pitantanana ny firenena ankehitriny sa miha mihemotra hatrany hatrany hatreto? Sao dia ao anatin’ny famotehana tanteraka amin’izao fotoana izao fa anjaran’izay mpitondra handimby ny lavaky ny fahasimban’ny firenena no manarina sy manangana? Ny trano mijoro fa ahoana ny fiainan’ny olona honina ao anatiny na ny hitsidika azy. Fenoina trano manarapenitra i Madagasikara kanefa mitombo isan’andro ihany koa ny olona sahirana.

Mila manana 2000Ar ho an’ny ankizy ary 5000Ar ho an’ny lehibe raha hitsidika ny Lapan’i Manjakamiadana, raha toa ka 5000Ar sy 10 000Ar raha maniry hitsidika ny Rovan’i Madagasikara manontolo. 20 000Ar sy 40 000Ar kosa raha teratany vahiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT