Politique

Andry Rajoelina Nilaza fa tena mampihatra ny fitsinjaram-pahefana


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Tsy atao resaka sy kabary, fa iainana sy tanterahina ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly 04 jolay teny amin’ny CCI Ivato omaly,

nandritra ny fanokafana ny Fikaonandoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. Nambarany fa io antony nametrahana ny velirano faha-12 izay milaza fa hametrahana rafitra ka nanomezana andraikitra amin’ny fitsinjaram-pahefana faritra. Tanjona napetraka ny “présence de l’Etat”, nametrahana sy nanaovana fotodrafitrasa manaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka: sekoly, hopitaly, kianja, birao samihafa,… Tsy fantatr’izay tsy mila izany, fa ny faritra rehetra no maneho fankatoavana sy fankasitrahana ny asa izay natao tany amin’ny faritra nanatanterahana azy. Isika tsy manao fanambarana na resaka ambony latabatra na anaty birao, fa ao anatin’ny fanatanterahana ka manaporofo izany ny fikaonandoha izao izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Nametraka faritra 2 noho ny fahatsapana fa mila manakaiky ny faritra ny fampandrosoana. Napetraka ny faritra faha-23 dia I Vatovavy, ary vao tsy ela no naneken’ireo parlemanta ny faritra faha-24 Ambatosoa izay ahitana an’I Mananara sy Maroantsera. Nilaza fa mariky ny tantara ny Lapan’ny tanàna ao Analakely izay may, saingy natsangany. Mpanorina, mpanangana, manarina izay simba, manangana sy mampandroso an’I Madagasikara. Rehefa zohiana, nafantoky ny Filoham-pirenena tany amin’ny resaka fananganana fotodrafitrasa ny resaka fitsinjaram-pahefana, ary teo ihany koa ilay hoe: fanomezana faritra miisa roa, raha toa ka tany amin’ny resaka fitsinjarana ara-bola ho an’ny kaominina, faritra,… kosa no nitondran’ny Minisitry ny atitany azy, ka nilazana an’ilay 15 tapitrisa Ar isaky ny kaominina izay nakarina ho 30 tapitrisa Ar isan-taona. Eo ihany koa ny faritra izay 2 miliara isanisany eo hatreto, saingy rehefa zohiana, mety misy ny endrika fitanilana satria misy faritra ahitana distrika 9 ary misy distrika 2 fotsiny no mandrafitra azy. Nisy ny fakan-kevitra isam-paritra nanerana ny Nosy nandrafetana io drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana ity. Nanotrona an’io moa ny Mpikamban’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, ireo mpiara-miombon’antoka, ireo Lehiben’ny distrika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT