Politique

Andry Rajoelina Niezaka nanamboatra ny sain’ny vahoakan’Itaosy


  • Zoma 30 Jona 2023

Raha fehezina dia efa tena leo izao fitondrana mijoro izao sy ny fahasahiranana entiny ny vahoakan’Itaosy ao

anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Ankoatra ny fitohanana lavareny handaniana ora roa isan’andro mivoaka ny tanana sy ora roa miditra ny tanana mantsy dia tsy lazaina intsony ny delestazy izay hamoaham-bola hafa mihitsy mba hividianana labozia isan-kariva…
FAMPANANTENANA
Nanamboatra ny sain’ny vahoaka teny an-toerana ny filoha Rajoelina omaly. Nambarany fa hitadiavam-bahaolana haingana ny resaka delestazy. Diso be loatra hono mantsy ny vahoakan’Itaosy ka tsy maharaka ny famatsiana azy ireo intsony ilay transformateur. Mikasika ny fitohanana indray dia nampanantena izy fa hojerena akaiky ny famakiana ilay lalana miainga eo amin’ny IMRA Avarabohitra mivoaka eny Anosipatrana izay mbola any an-kibon’ny omby. Nilaza ihany koa izy fa hahazo lisea manara-penitra Itaosy ary amin’ny iray volana ho avy handalovany eny an-toerana dia efa hanomboka ny asa. Samy tsy nisy nino intsony ireo fampanantenana poakaty nataon’ny filoha ireo ny vahoakan’Itaosy. Hatreto mantsy dia mbola ny werawera no betsaka fa tsy misy zavatra mivaingana tena mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana izay lazain’ny vavany. Omaly fotsiny ohatra no mba netinety ny fitohanana satria nandalo ny filoha saingy anio indray izao dia efa hiverina izany, raha toraka izay ihany koa ny delestazy. Tsara ho tadidiana fa sahirana raha niresaka tamin’ny vahoaka tamin’ny faritra Itaosy ny Filoham-pirenena nhy taona 2020 nandritra ireny fihibohana lavareny ireny, tonga dia nibahana arabe teo Antanikatsaka ny vahoaka ary nitaky hoe : aiza ny fanampiana fa tena sarotra ity. Teo no nivoaka ilay hoe : hahazo fanampiana daholo ianareo, avy eo niova indray hoe ireo tena sahirana ihany. Tadidin’ny olona iny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT