Andry Rajoelina

Mihevitra ny vahoakan’Ikongo ho bado…


  • Talata 21 Mey 2024

Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny propagandy an-karihary ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Nandritra ny diany tany Ikongo ny faramparan’ny herinandro teo, ny tenany mivantana mihitsy no mangataka an-kolaka fa ny fifidianana ny kandida depiote IRD amin’ny 29 mey no angatahany hatao fanomezana ho an’ny tsingerin-taonany izay ny ampitson’ny fifidianana. « Mila fampandrosoana isika !Amboarintsika ny làlana, hiaraka handrososo isika ! Izao ary no teneniko anareo 29 mey ilay fifidianana ary 30 mey ny tsingerin-taona naharerahako. Noho izany dia izao, rehefa any Antananarivo aho te haheno vaovao mahafinaritra be hoe : efa mamaly fitia ny vahoakan’Ikongo, te handroso ny vahoakan’Ikongo, ity ny « Cadeau d’Anniversaire-nao » Mr le Président ! », hoy i Andry Rajoelina. Nandritra io, nandeha ny fizarazarana zavatra toy ny jiro, lambahoany, ka nilazana fa tsy tonga tamin’ny tanam-polo fa nivatsy fanomezana ho mariky ny fitiavana sy ny fihavanana. Miharihary tahaka ny natao tany Ambatofinandrahana fa ny hanao izay handresena sy tsy hahalany ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no tena tanjona. Ny fiadian’ity farany ny tombotsoan’Ikongo sy ny distrika maro no nanenjehana azy raha nilaza fa ny làlana manerana ny distrika tapitra potika, ary anisany ny azy, ka ireo no tokony ho laharam-pahamehana noho ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Betsaka ny tsikera niantsoany ny mpanatanteraka hiasa fa fanenjehana no setriny. Raha miverina amin’ny tantara, tao Ikongo no nisy ilay fitifirana vahoaka nahafaty olona 30 mahery fa vitavita ho azy, tao no nisy ilay vary nozaraina tamin’ny madco sy nafatra tamin’ny sotro, distrika ambony indrindra ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, nisy hatramin’ny hoe : nivaro-janaka,… Tena niasa ho an’Ikongo ve ny Fanjakana sa ny nanarontsarona an’ireny no tena dia izao tonga ny fifidianana dia mandeha ny blablabla… Ny Filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra manao izao fampanantenana izao fa hatao ny làlana ary hanao fampandrosoana, mba hanjonoana ny vahoakan’Ikongo hifidy kandidam-panjakana. Tsy resaka fiandaniana fa mieritreritra ve i Andry Rajoelina sy ny kandidam-panjakana fa hatakalon’ny olona ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa ? Dia ho hita eo ny vokatra, fa raha ny sary mivoaka sy ny feo mandeha dia hatao izay fomba rehetra tsy hahalany an’i Brunelle Razafitsiandraofa ao Ikongo sy Rtoa Christine Razanamahasoa any Ambatofinandrahana. Na tiam-bahoaka aza dia mandeha ny resaka fa havadika sy hatsimbadika hatramin’ny voka-pifidianana. Any amin’ity distrika misy ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ity izay efa avy nanaovana tahaka izao tany Ikongo izao, ary ny nisy radio nakatona mihitsy aza noho ny fandefasany ny Propagandin-dRtoa Christine Razanamahasoa izay atahorana mafy. Andaniny, mangina sy manapi-maso ny HCC sy ny CENI na voararan’ny lalàna fehizoro 2018-008 msikasika ny fifidianana sy fitsapankevi-bahoaka, ary azo hampiatoana ny Filoha amin’ny asany mihitsy aza araka ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana. Miandry afo amin’ny maty araka ilay fomba fiteny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT