Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,
hiaraka hanangana ny sainam-pirenena malagasy ho fiomanana sy hanamarihana ny fetim-pirenena ary ho reharehan’i Madagasikara fa mahaleo tena i Madagasikara. Hijoro hatrany hanatratra ny tanjona iombonana isika, hoy izy, dia ny Madagasikara tsy maintsy mandroso. Ny asa fampandrosoana ny firenena dia mitaky fandavan-tena fa indrindra fitiavan-tanindrazana, izay manosika antsika hanao ny tsara, hanaja ny lalàna ary hifanome tanana mba hahafahana miara-manorina sy manangana firenena vanona sy mandroso. Nosafidiana ny lohahevitra mifandraika amin'ny tanjona izay ho tratrarina ho an'i Madagasikara mandritra ity fankalazana ny faha 65 taona nahazoana ny fahaleovantena ity dia ny hoe «Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana», hoy hatrany ny tenany. Notanterahana io maraina io teny amin’ny Parvis Analakely moa ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 65 taona nanomezana fahaleovantenan’i Madagasikara. Nanatrika izany ny filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta. Taorian’ireo porofona tsy fitiavan-tanindrazana maro avy amin’ny filoha Andry Rajoelina nataon’ireo ivelan’ny fitondràna sy mpanohitra tahaka ny resaka fiofoana ho frantsay na «naturalisation», ny filazàn’ny filoham-pirenena fa ho an’ny fianaran-janany no nakàny izany nefa misy oniversite lazainy fa manara-penitra izay namboarin’ny fitondràny hatramin’ny tetezamita 2009 eto Madagasikara, ny fampidirana ireo orinasa vahiny matanjaka toy ny KFC sy Mac Donald hifaninana amin’ireo orinasa na mpandraharaha malagasy izay velon-taraina fatratra amin’ny fijaliana amin’ny resaka hetra, ny fanafarana vary hafa avy any ivelany lasa mifaninana amin’ny tantsaha eto an-toerana sy tsy mampandroso ny tantsaha malagasy na ny famokarana malagasy, izay raha fintinina dia hoe famonoana hatrany ny tsena anatiny eto amin’ity firenena ity, dia ny filoham-pirenena Andry Rajoelina indray izany izao no manome lesona mikasika ny fitiavan-tanindrazana. Tena tsara toerana hanome lesona mikasika ny fitiavan-tanindrazana tokoa ve ity filoham-pirenena malagasy ankehitriny ity na teo aza ny porofo nomen’ny ivelan’ny fitondràna rehetra izany? Mba tena filamatra amin’ny fitiavan-tanindrazana sy tsara toerana hanome lesona ve ny Filoha ankehitriny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.