Andry Rajoelina

Manamafy ny fianteherany amin’ny tafika !?


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Toy ny isan-taona, nomarihina omaly 12 janoary ny andron'ny Manamboninahitra eo anivon’ny

Foloalindahy malagasy manerana ny Nosy. Araka ny tantara niandohany dia fitakiana avy amin'ny andiany mivantana voalohany avy ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny marainan'ny 12 Janoary 1968, izay nitaky fanatsarana ny kalitaon'ny Sekoly, ka tamin'ny alalan'ny fomba fitafy marolafy no nanehoan'ny mpiray andiany azy tamin'izany, ary lasa soatoavina mipetraka eo anivon'ny Miaramila, indrindra ireo Manamboninahitra mivoaka avy amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe mandraka ankehitriny. Natolotra nandritra ity fankalazana ity ireo fotodrafitrasa hanamafisana ny traikefa eo amin’ny haiady sy ny fanatanjahantena teo anivon’ny Fitaleavan'ny Fiarovana sy ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary ny fanehoana ny fanamiana vaovao na ny "tenue de parade". Nanamarika an’io andron’ny manamboninahitra io toy ny fanaony ny Filoham-pirenena izay sokajiana ho Filoha farantampon’ny foloalindahy moa, raha ny famaritana. « Manana anjara lehibe amin'ny fametrahana ny fiandrianam-pirenena, ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fiarovana ireo andrim-panjakana ny foloalindahy », hoy i Rajoelina Andry. Anaty fitiavana sy firaisam-po ny fanatontosana ny andraikitra ankinina amin'izy ireo, hoy hatrany ingahy Filoha naneho ny fahatokisany ny foloalindahy. Misy dikany sy lanjany lehibe ara-politika ny nilazan’i Andry Rajoelina fa manana anjara amin’ny fiarovana ireo andrim-panjakana ny foloalindahy, ary tsapa hatrany ny karazana pimaso hatrany amin’ny tafika eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny Firenena, indrindra fa ny lafiny ara-politika, toekarena, ary sosialy,… Manamafy fa isan’ny ianteheran’ny Fitondrana Rajoelina hahafahana mifehy ny toe-draharaha ny foloalindahim-bahoaka !?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT