Andry Rajoelina

Lasa nisintaka any amin’ny Fivoriamben’ny OIF…


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Rehefa avy nampandry tany sy nandamin-dresaka eo anatrehan’ny krizy sy olana ara-tsosialy

samihafa eto Madagasikara, toy ny resaka jiro sy rano, dia lasa niazo an’i Lafrantsa izay isan’ny Fireneny ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Ny tenany no mitarika ny delegasionina Malagasy miatrika ny andiany faha-19 amin’ny Fihaonamben’ny Frankofonia izay tanterahana any Villers-Cotterêts sy Paris ny 4 sy 5 oktobra 2024. Filoham-panjakana sy lehibena governemanta hatrany amin’ny 88 mpikambana ao anatin’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) no miatrika an’io, ka isan’ny hodinihina ny lalan-jotra stratejikan’ny OIF. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana noho izany ny fivoriana mikato-tranon’ireo mpitarika ambony rahampitso sabotsy 5 oktobra. Hanokafana ity Fihaonamben’ny OIF ity ny filankevitry iraisan’ireo minisitra maro anatin’ny fikambanana, ka isan’ny handray fitenenenana ny Lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Ity farany izay voalaza fa efa nanamafy ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny finiavana hametraka ny fitoniana, fepetra ambara zava-dehibe hisian’ny fampandrosoana maharitra ho an’ireo firenena mpikambana. Fotoana ambara fa hahafahana mihaona amin’ireo tanora mpamorina, mpitondra zava-baovao sy mpandraharaha izay haneho ny fahombiazany tamin’ireo fanamby lehibe napetraka. Hanamarika an’io ihany koa moa ny hetsika sy fampiratiana samihafa toy ny tanànan’ny Frankofonia, Festival de la francophonie, na ihany koa ilay antsoina hoe : francotech. Misy ireo mpanakato, mpanao asa tànana, mpandraharaha tsy miankina Malagasy mandray anjara ao anatin’izany, ka misy mazava ho azy ny tranohevan’i Madagasikara. Ara-politika sy ara-diplaomasia, inona no tena antenain’i Madagasikara ao anatin’izany ? Manao ahoana ny fifamatorana amin’i Lafrantsa ? Miezaka maneho diplaomasia politika sy diplaomasia ekonomika misokatra ny Fitondrana, saingy na tia na tsy tiana dia tena mbola manana toerana stratejika be eto amintsika i Lafrantsa. Mitazona sy mifehy sehatra ara-stratejika sy ara-toekarena maro eto. Efa hatrany amin’ny aogositra 2021 nihaonan’ny Filoha roa tonta no nisy ilay fanomezan-toky fa vonona hamatsy 240 tapitrisa euros hanohanana ny PEM (Plan Emmergence de Madagascar) ny Frantsay ka asa nanao ahoana. Nitohy tamin’ilay dia tany Frantsa nandritra ny fanokafana ny lalao olaimpika izay nanaovan’ny Fanjakana serasera fa hanohana sehatra maro, ka tafiditra amin’izany ny resaka angovo. Asa nanao ahoana ny tohin’ireny, fa ny hita aloha dia miezaka manao pi-maso etsy sy eroa amin’ny arabo, sinoa,…
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT