Politique

Andry Rajoelina Hihaona amin’i Fransman any Frantsa ?


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Hanainga ato ho ato hihazo an’i Parisy i Andry Rajoelina. Izay indray ny vaovao mandeha etsy sy eroa saingy tsy mbola ofisialy.

 Hisy ny fihaonany any an-toerana amin’ny minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany sady lehiben’ny iraka ministerialin’ny Troika, Marius Fransman. Mandritra io diany io ihany koa izy no hamangy ny rafozany izay marary ao Parisy, raha araka io loharanom-baovao akaiky ny FAT io. Raha ny marina mantsy dia tsy mifanandrify loatra amin’ny filohan’ny FAT ny fe-potoana napetraky ny Troika mahakasika ny fanatanterahana ny tondrozotra. Asa izay tanjona amin’ity mety ho fihaonana ity na hikasa ny hanova an’izany tsimoramora indray. Na izany aza aloha dia rariny raha hampahafantarina ny vahoaka fa tsy handeha tsimoramora indray rehefa misy ny fivoahan’ny filoham-panjakana toy izao. Izany dia mba hialana amin’ny siosion-dresaka isan-karazany…

samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT