Politique

Andry Rajoelina Hanaraka ny dian-dRavalomanana ihany kay


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Maha lasa eritreritra ny mpanara-baovao ary mampametra-panontaniana ao an-tsaina ao mihitsy hoe tena nifampiresaka mihitsy angamba ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana

sy ny ankehitriny, Andry Rajoelina, ny votoatin’ny kabarin’ity farany nandritry ny fihaonana an-tampony momba ny fihariana aty Afrika na ny Choiseul Business Africa Forum 2022 andiany fahatelo, notontosaina ao Casablanca, Maraoka, nanomboka ny 19 oktobra hatramin’ny omaly 20 oktobra 2022. Manana hambom-po hanamboatra lalana mirefy 6.800 hatramin’ny 10.800 kilaometatra ao anatin’ny 6 taona i Madagasikara, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Mieritreritra ny hanaraka ny dian’ny filoha teo alohany, Marc Ravalomanana, ihany, araka izany, ny filoha ankehitriny. Raha tsiahivina dia manodidina izay 10.000km izay mihitsy no totalin’ny lalana vitan’ny fitondrana Ravalomanana nanerana an’I Madagasikara tao anatin’ny 7 taona nitondrany. Novoizin’ny ekipan’ny filoha ankehitriny tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, eny, nialoha izany, mihitsy anefa ny hoe “ny lalana angaha azo hohanina?”. Dia gaga ianao, hoy ny fitenin-drizareo izay, fa ankehitriny izany dia mieritreritra hanaraka ny dian-dRavalomanana ihany kay ilay mpifanandrina politika voalohany aminy hatramin’izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT