Politique

Andry Rajoelina Gejain’ireo manodidina azy ?


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Vakinankaratra omaly ny filoha Andry Rajoelina ka nampatsahy indray ilay Fandaharanasa Fihariana hanampiana ireo rehetra te hisehatra amin’ny famokarana sy ny fandraharahana ;

 

 

 

 tafiditra ao anatin’izany ny mpamboly sy ny mpiompy. Ary anisan’ny heverin’ny fanjakana ho tohanana manokana ireo tantsaha sy mpiompy any Vakinankaratra.Tsara tokoa ilay eritreritra saingy…kisehoseho ivelany ihany iny aloha hatreto satria raharaha mafana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ny fikitihana ny sata mifehy ny mpanohitra izay efa tamin’ny taona 2011 no nandanian’ny fanjakana tetezamita ny lalàna 2011-013. Tsy nampiharina tao anatin’ny 8 taona io na dia efa nekena sy nankatoavina aza. Didy fampiharana sisa no andrasana, saingy mandeha ny tetika hanovana azy. Mitamberina ny adihevitra nifanaovan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomnana nandritra ny fifidianana filoha, fa hanaiky ny hamela malalaka an’i Marc Ravalomanana ho lehiben’ny mpanohitra. Hafahafa  ny fihetsik’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Minia mangina sy te hikosoka ny zavatra nambarany tany aloha manoloana ny fikitihana ny lalàna sy ny sata mifehy ny mpanohitra. Raha hatao mivantambatana ny fiteny dia “mpandainga” sy “mpamahan-dalitra” no azo hanasokajiana ny filoha ankehitriny, tsy mitana ny teny nomeny satria izy tenany izao no efa nanaiky ampahibemaso fa hamela malalaka an’i Marc Ravalomanana ho lehiben’ny mpanohitra. Fanotaniana mipetraka anefa ny hoe tena nahim-pony sy safidiny ve ny tsy hitazona ny teny nomeny ? Mampanahy ny zava-misy satria mety tsy ho i Andry Rajoelina no tsy mitana ny teny nomeny fa mety ho olona manodidina azy izay efa tsy voafehiny intsony no mametraka ny fitsipi-dalao. Mety ho olona mahalala tsiambaratelom-panjakana na tsiambaratelon’ny filoha. Tsy adala rahateo ny filoham-pirenena ka hivadi-belirano sy manaiky hitondra anarana ho “mpandainga” sy tsy mpitazona ny teny nomeny, fa matoa manaiky izany dia mety ambanin’ny mena, izay toa mampitombina  ny hoe « Filoha saribakoly ». Andrasana izay hiseho ato ho ato !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT