Andry Rajoelina

Efa niaiky ho tsy nahomby kanefa mbola sahy mampanantena!


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Madagasikara dia efa nijaly loatra noho ny tsy fahombiazan’ny mpitondra nifanesy teto, hoy i Andry Rajoelina,

filoham-pirenena teo aloha izay mbola kandida ankehitriny, raha nandalo tao Sambirano ny 12 oktobra 2018. Mila vahaolana vaovao isika, hoy izy, tamin’izay fotoana izay. Ny programan’asa izay entiko dia hanatrarana ny fahatarantsika amin’ny resaka fampandrosoana ao anatin’ny 5 taona monja, hoy izy. Tapitra ihany ity ilay 5 taona. Nandroso tokoa ve izany ilay Madagasikara raha milaza ny banky iraisampirenena fa mahantra ny 81%n’ny malagasy amin’izao fotoana izao na koa hoe isan’ireo firenena miisa 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika? Ampy ilazana fa nandroso ve ilay firenena ny fahavitan’ny lalana sy hopitaly hoe manara-penitra ary EPP manara-penitra, izay ny sasany vao avy nitokanana dia nihotsaka, ny sasany nirodana ho azy, ny sasany mitete sy manara-pofona? Etsy ankilan’izay, fa iza moa no mpitondra nifanesy teto nanomboka ny taona 2009 hatramin’izao? Ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, no nitondra ny tetezamita ny taona 2009-2013. Ny kandida natolony no nitondra ny taona 2013-2018. Izy tenany mihitsy no nitondra farany teo, 2018-2023. Raha atao ny tombana, hoy ny tsilalaon-tenin’ny mpanara-baovao izay, dia “Madagasikara tsy mety mandroso!” no niseho. Ankehitriny anefa dia izy izay tsy nahavita afa-tsy “Madagasikara tsy mety mandroso!” izay no mbola sahy mampanantena indray amin’izao fotoana izao fa “Madagasikara tsy maintsy mandroso!”. Efa niaiky ho tsy nahomby mbola sahy mampanantena ihany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT