ANDRY RAJOELINA

Efa nanava-tena amin'ny Fikaonandoham-pirenena


  • Talata 26 Mey 2026

Fotoana hanehoan'ny Malagasy firaisankina

ny fikaonandoham-pirenena, hiarahany mientana hanaovana tenierana hanorenana firenena marin-toerana ara-politika hisian'ny fampandrosoana lovainjafy. Fotoana koa io ahafahan'ny Malagasy mirehareha amin'ny fahaleotenany, manana izay iheverany ny rafi-panjakana mety aminy. Raharaha tokantrano madiodion'ny Malagasy ny Fikaonandoham-pirenena, ny samy Malagasy no hiara-hidinika ny amin'izay ho fifampitondrana eto. Efa nisafidy ny ho vazaha moa i Andry Rajoelina, efa tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony ka dia mazava fa kaontiny efa nanava-tena amin'ity Fikaonandoham-pirenena ity izy.
TSY HAHAZO FANASANA…
Tsy hisy ny fanasana azy amin'ity indray mitoraka ity, araka ny loharanom-baovao iray. Handray anjara kosa anefa ireo mpiara-dia aminy, tsy mialonjafy rahateo ny Fikaonandoham-pirenena, ilaina ny hevitry ny olompirenena rehetra hananana angon-kevutra handrafetana ny lalam-pifidianana, ny amin'ireo andrimpanjakana indrindra ny Lalàmpanorenana hiampitana any amin'ny Repoblika fahadimy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT