Andry Rajoelina

> Nikoropaka lasa any Afrika Atsimo


  • Alakamisy 12 Desambra 2013

Nandao an’i Madagasikara omaly hariva ary nihazo an’i Afrika Atsimo ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mivady, hiondrika manoloana ny vatana mangatsiakan’i Nelson Mandela.

Zava-dehibe ho an’ny filohan’ny tetezamita, hoy ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny tetezamita ny fanomezam-boninahitra farany an’i Nelson Mandela noho izy nanome ohatra tsara sy azo tsapain-tanana tamin’ny ady ho amin’ny fampitovian-jo ny samy olombelona. Etsy an-kilan’izay dia matotra ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo ary goavana ny asa nataon’ny filoha Jacob Zuma ho famahana ny krizy teto Madagasikara. Maro anefa ny mahita fa somary tara ihany izao fihetsiky ny filohan’ny tetezamita izao satria efa ny talata lasa teo ny lanonana ofisialy natokana ho an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ho amin’ny fanomezam-boninahita farany an’i Madiba tao amin’ny kianja FNB- Soccer City tao Soweto. Tonga tany an-toerana nandritra io fotoana io ny ankamaroan’ireo filoham-pirenena sy olona manana ny maha izy azy eto ambonin’ny tany. Nanatrika ity fanomezam-boninahitra an’i Nelson Mandela ity ihany koa Atoa Marc Ravalomanana. Tsy nanambara moa ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita na nahazo fanasana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina na tsia, fa ny fantatra aloha dia tsy anisan’ireo filoham-panjakana nanatrika ny hetsika tamin’ny talata lasa teo ny tenany. Izy rahateo mbola variana nitety faritra tamin’ny fampielezan-kevitra ka mety tsy dia niraika firy tamin’ny zava-nitranga tany Afrika Atsimo, fa mety rehefa nahafantatra fa tao amin’ny kianja FNB i Dada izay vao nikoropaka. Hita mantsy fa tena vokatry ny fikoropahana ity fandaharam-potoanan’i Andry Rajoelina raha tsy hoe angaha haka an’i Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana amin’izay no tena izy. Maninona tokoa moa !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT