Nanome toky fa hanaiky izay valim-pifidianana hitranga eo ny filohan’ny tetezamita. Maniry fitoniana tanteraka i Andry Rajoelina araka ny filazany ka tokony hatao ohatra i Madagasikara amin’ny fivoahana amin’ny krizy mba ho filoham-pirenena mendrika no ho avy eo, hoy hatrany izy teo ampivoahana ny birao fandatsaham-bato teny Ambatobe omaly. Mandram-pivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy kosa dia tokony ho tony sy hiandry ampilaminana ny rehetra. Mikasika kosa ny didy navoakan’ny CES manafoana ny didim-panjakana nahafahan’ireo tompon’andraim-panjakana nanatrika ny fampielezan-kevitry ny olona notohanany dia nambaran’i Andry Rajoelina fa “efa maro ny lalàna navoakan’ny fitondràna tetezamita, saingy nofoanana. Tsy mbola nisy firenena hafa ka nanakana ny olona manan-jo hofidiana ao aminy tsy navela hilatsaka sy hofidiana, saingy teto Madagasikara ihany no nahitàna izany. Mitovy ihany hoy izy ny lalàna mifehy ny fifidianana tamin’ny fihodinana voalohany sy faharoa. Tsy niova izany fa nampiharina tamin’ny fihodinana faharoa ka heveriny hoy izy fa tsy mila korontanina ny firenena, fa ny vahoaka Malagasy no tompon-tsafidy sy ny fahefàna farany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.