Andry Rajoelina

> Manana kajy hafa mihitsy ?


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Mbola miteraka adihevitra etsy sy eroa hatramin’izao ilay fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny gazety Frantsay “Le Monde” sy ny valin-kafatra nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny Rfi taorian’izay.

Sinema ve ireny sa tena izy ? Inona ny tanjona ? Iza no tena mitondra ny baolina ? Ekena fa mety zazavao amin’ny fanaovana politika i Andry Rajoelina, na izany aza dia tsy te hiteniteny fotsiny izy dia niantso mpanao gazety vahiny dia niresaka, fa misy tanjona mazava iny fanambarany iny. Misy ny mpandinika ny raharaha politika mihevitra fa fanahy niniana natao mba hanapotehana tsotra izao an’i Hery Rajaonarimampianina iny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita iny, satria raha ny tokony ho izy dia manilika avy hatrany ity kandida ity ny CES. I Andry Rajoelina moa tsy ho afaka eo amin’ny toerany raha tsy misy ny filoha vaovao voafidim-bahoaka. Ny fanontaniana manaraka dia ny hoe : fa inona no nitranga no toa manimba tampoka teo ilay kandidam-panjakana ny filohan’ny tetezamita ? Misy kandida hafa hasolo azy ve ? Raha sanatria mantsy ka voailika i Hery Rajaonarimampianina dia miakatra hanao ny fihodinana faharoa ka hifanandrina amin’ny Dr Robinson ny laharana fahatelo tamin’ny fihodinana voalohany. Sa ve efa manana kajy hafa mihitsy ny ankolafy Rajoelina ka hamela malalaka ny ankolafy Ravalomanana handresy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ? Betsaka ny resaka mandeha momba iny fanambarana nataon’ny filohan’ny tetezamita ny faran’ny herinandro teo iny, fa tsy maintsy hipoitra miandalana eny ihany ny tena marina. Azo antoka fa misy ambadika politika avo lenta izy iny, ary tsy maintsy hisy dingana manaraka, koa dia miandry izay ho tohiny izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT