Andry Rajoelina

Andrasana hanafoana ny tafiky ny SADC


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Mbola manaloka ary tsy mety misava hatrany ny salovan’ny fifanandrinana Rajoelina – Ravalomanana

tamin’ny taona 2009 na dia neverina fa iny fifidianana filoham-pirenena 2023 iny aza no tokony namarana izany. Tsaroan’ny mpanara-baovao indray amin’izao fotoana izao ilay filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, niantsoantso vonjy tamin’ny SADC na ny «Southern African Development Community», izay sampan-draharaha iraisampirenena ho fampandrosoana ny tapany atsimon’i Afrika moa izany. Niantso ity vondrona iraisampirenena ity izy tamin’izany mba hanetsika ny tafiky ny SADC raha sanatria ka ilaina izany. Tetsy ankilany moa dia nilaza ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny, Andry Rajoelina, fa tsy ilaina izany tafika izany ary tokony ho foanana mihitsy. Handray ny toerana maha filohan’ity vondrona iraisampirenena ity ankehitriny ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny, izay efa lasa filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Nirina Rajoelina. Andrasana hanafoana ny tafiky ny SADC izany izy, raha ny lojikan’ny tsiahy navelan’ny tantaran’ity firenena ity hatrany no tsiahivina. J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT