Andry Herinjaka Ranaivo

«Ny safidin’Iarivo no famantarana ho an’i Madagasikara »


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

 Ranaivo na Andry Concept no hahalalan’ny maro azy amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Efa kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo ihany ko aizy ny taona 2014 raha tsiahivina kely. « Amiko ny fifidianana Ben’ny tanàna CUA io no famantarana ny lalan’ny firenena malagasy ao anatin ny 10 taona manaraka. Tamin’ny 1999 lany Marc Ravalomanana ary izany vokatra izany nanova zavatra maro. Ny taona 2006, lany I Andry Rajoelina ary nisy fiovana ihany koa teo amin’ny fomba fisainana sy lalana hijoran’ny firenena. Taty aorian’izay tsisy fiovana loatra fa izy mianaka ireo no nifandimbimby teo… », hoy i Andry Herinjaka Ranaivo tao amin’ny pejin-tseraserany. Nambarany kosa anefa, fa leo ny maro ka dia samy nanara-drenirano teo daholo sisa. « Ankehitriny miatrika fifidianana indray isika, … Tsy hisy fiovana eo no eo raha ho an’Antananarivo manokana saingy ny valin’io fifidianana io dia “signe” ho an’ny ho avy. Io fifidianana io amiko tsy kandida no handresy na ho resy fa ny malagasy amin’ny alalan’ny mpifidy eto Antananarivo no haneho fa miandrandra fiovana na fanovana. Ny ho fandrosoan’Antananarivo tsy ho rahampitso na iza na iza no ho lany fa ny fanantenan’ny Malagasy kosa dia miankina amin’ny ampitson’io fifidianana io, hoy hatrany izy. « Ho ahy manokana, Jamais 2 sans 3 ! Alefaso Razafinjoelina Tahina ! Ialahy olona fantatro « personnellement », Ne nous déçoit pas!!! Lany ialahy ! Lueur d’espoir! Tsy Lany ialahy!!! RaTah foana ialahy, fa misaotra an’ialahy sahy!!! Ry Antananarivo, ny safidinao no mamaritra sy famantarana ho an’i Madagasikara », hoy i Andry Herinjaka Ranaivo naneho fa miankina amin’io fifidianana io ny fanantenan’ny Malagasy, ary mitondra fanantenana vaovao sy rivo-baovao ny fahalanian’i Tahina Razafinjoelina ka nankaherezany sy nirariany soa ho an’ity farany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT