Politique

Andry Biahary Afaka mody any Toliara


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Taorian’ny fitakiana sesilany maro samihafa mikasika ny tokony amoahana ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera nosamborina tao Toliara ny alakamisy teo

Andry Biahary, dia fantatra omaly hariva fa afaka mody mamonjy ny fianakaviany any Toliara ny lehilahy taorian’ny nitazomana azy tao Fianarantsoa. Araka ny vaovao voaray farany anefa dia sazy miantona 18 volana no mbola mitatao aminy noho ny antony voalaza fa fitarihana hanongam-panjakana. 6 volana noho ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana. Afaka noho ny fisalasalana kosa izy mikasika ny resaka fanalam-baraka an-tambazotran-tserasera. Nialoha izany dia ireto no diso fito mikasika ny fisamborana ity mpandraharaha naneho ny heviny manoloana ny heveriny ho tsy rariny tao an-tanindrazany ity, hoy ny mpanao politika zanak’iny faritra iny, Durlin Retogniane. Nosamborina amin'ny andro alina. Tsy fantatra ny anton’ny fisamborana na "motif d'arrestation". Nentina niala ny faritanin'i Toliara. Tsy nahazo zo hanana mpisolovava na "droit à l'avocat". Tsy afaka mamangy azy ny fianakaviany. Nosakanana ny fianakaviana izay saika nanaraka azy tany Fianarantsoa. Tsy notsaraina taorian'ny didy fampisamborana na "mandat de dépôt" 48 ora, araka ny voalazan'ny lalàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT