Politique

Andron’ny manamboninahitra Nanamafy ny Filoha fa manohana hatrany ny foloalindahy


  • Zoma 13 Janoary 2023

Ankalazaina isan-taona, isaky ny 12 janoary 2023 ny andron'ny manamboninahitra eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy.

Toy ny isan-taona, nandray anjara tamin'ny fankalazana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy, niaraka tamin'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Manamboninahitra eo anivon’ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eto amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny andron’ny omaly. Entina hameloman'aina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ary indrindra hanamafisana ny firalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'ireo manamboninahitra Malagasy moa ny Andron’ny manamboninahitra. Nanamafy hatrany ny firesany matetika dia ny hoe: “fanohanany ny foloalindahy” ny Filoha, ary naneho ny fahavonany hanampy azy ireo na amin'ny lafiny ara-pitaovana na ara-piofanana. Niantso ireo manamboninahitra sy ny Tafika malagasy iray manontolo, ihany koa ny tenany hanamafy ny ezaka rehetra efa natao amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny firenena. Toy ny isan-taona dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny fibaikona nandritra ny lanonana fananganan-tsaina, narahin'ny fanolorana ny gisa ho an'ny Filoham-pirenena ary ny fanatanterahana ny hazakazaka ara-piralahiana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT