Politique

Andron’ny Firenena Mikambana Niantso fitohizam-piaraha-miasa ny Praiminisitra


  • Talata 25 Oktobra 2022

Nomarihina omaly ny andron’ny Firenena Mikambana. Ho an’ny fanamarihana teto Madagasikara, tonga nanome voninahitra ny fankalazana ofisialy ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Nankasitrahany manokana ny asa vitan’ireo rafitra samihafa anivon’ ny Firenena Mikambana miasa eto amintsika; izay nambarany fa vavolombelon’ny fahavononana mba hananan’ny olona rehetra fiainana mivelatra sy mendrika amin’ny alalan’ny fametrahana filaminana sy amin’ny alalan’ny fanomezana vahana ny fanajana ny zon’olombelona. Araka izany, nametraka fanamby hampanjakana ny filaminana ny Firenena mikambana, ary tsapa ankehitriny fa mavesa-danja ao anatin’izany ny fomba fifandraisana maro lafy ka mino sy miray hevitra amin'ny hivelaran'izany miainga amin'ny foto-kevitra hatrany amin'ny fampiharana i Madagasikara, mba hanatrarana an’io fanamby io, hoy ny Praiminisitra. Naneho ny tenany fa niara-niasa hatrany tamin’ny fitondram-panjakana ny Firenena Mikambana, ary nanohana ny vahoaka Malagasy, indrindra tamin’ireo fotoan-tsarotra samihafa toy ny tamin’ny valanaretina Covid-19, ny fandalovan’ireo rivodoza teto Madagasikara, ary amin’izao fotoana izao ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Nisy hatrany ny fiarahana mitady vahaolana mba hitantanana sy hampihenàna ny vokadratsin’ireny olana samihafa ireny ka nirarian’ny Praiminisitra ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Izay ny amin’ny lafiny miabo, ary misy foana ny fomba firesaka ara-diplaomatika, fa amin’ny lafiny iray hafa, maro ireo endri-javatra mety mamparefo ny fifandraisan’ny roa tonta. Mety somary hamparisarisa ohatra ny fihetsik’I Madagasikara mandroso mihemotra tamin’ny latsa-bato nanamelohana an’I Rosia,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT