Politique

Andrim-panjakana vaovao hajoro «Mila mijery ny sosialin’ny vahoaka amin’izay», hoy i Andry ao Ambositra


  • Alarobia 26 Oktobra 2011

Taorian’ny fanaovan’ireo mpanao politika sonia ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy sy ny sonia fampiharana azy dia nilaza ny heviny Atoa Andry, Talen’ny CFPRR ao Ambositra.

 Amin’ny maha olon-tsotra azy no nilazany fa zava-dehibe ny dingana efa nirosoan’ireo mpanao politika gasy ary anatra ho antsika ny dingana rehetra efa natao hatramin’izay. Mila finiavana sy fifandeferana eo amin’ny samy mpanao politika anefa ny fampiharana iny tondrozotra iny mba tsy hisian’ny savoritaka amin’ny ady seza ka lasa mampisara-bazana ny vahoaka Malagasy, hoy ihany ity mpiara-miasa akaiky tamin’ny Depioten’i Mahanoro teo aloha ity. Aminy dia ny Praiminisitra no mitondra ny raharaham-pirenena.

Tsy miaramila fa mpanao politika teknisianina, mahay mijery ny asa sosialin’ny vahoaka no tokony hitazona izany toerana izany. Efa misahana andraikitra goavana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny firenena ny miaramila, hoy i Andry fa tsy mitazona toerana sy andraikitra hafa. Praiminisitra mahay mifehy ny filaminana sady tsy miandany ary mila manao fianianana amin’ny vahoaka Malagasy fa tsy hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho avy. Olona afaka hampiray ny mpanao politika tsy mitovy hevitra ihany koa. Ny andrim-panjakana rehetra hajoro dia tokony hifangaroan’ireo sokajin’olona isan-karazany, tsy ijerena fiaviana sy foko nipoirana hialana amin’ny Ministera na andrim-panjakana ifanotofan’ny foko iray na mpiray fiaviana, hoy ihany ny tenany nanamafy. Mikasika ny mety ho fanitarana ny CT sy ny CST dia nambaran’i Andry ao Ambositra fa azo atao tsara izany saingy ferana ny isan’izy ireo, esorina izay tsy mijery ny vahoaka iandraiketany.

Mila mibanjna ny asa sosialin’ny vahoaka izay andrim-panjakana vaovao hajoro eo satria efa mahantra sy mijaly ny Malagasy. Haroso faran’izay haingana ny fifidianana, hoy ihany ity Talen’ny CFPRR ao Ambositra ity ary tsara raha avela hilatsaka hofidiana malalaka avokoa ireo mpanao politika rehetra na ireo izay nanao sesitany ny tenany aza mba hotsarain’ny vahoaka. Mikasika ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nilaza ny heviny mazava i Andry fa tokony havela hody izy, ary raha tsy maintsy hotsaraina dia ny fitsarana iraisam-pirenena no hitsara azy satria tsy mbola nisy filoham-pirenena teto Madagasikara hatramin’izay ka notsaraina teto an-toerana.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT