Politique

Andrim-panjakana Hiova koa ny filohan’ny CT sy CST ?


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Na fanitarana no atao na fananganana andrim-panjakana iray vaovao mihitsy dia maro no mieritreritra fa tokony hiova tahaka ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany koa ny filohan’ny CT sy ny CST.

 Iaraha-mahita ihany mantsy fa mbola olon’ny filohan’ny FAT no mitana ireo toerana ireo. Ny jeneraly Rasolosoa Dolin izay filohan’ny CST dia efa hatramin’ny fitantanana ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra no niara-niasa akaiky tamin’Atoa Andry Rajoelina, satria talen’ny kabinetrany izy. Teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ihany koa da anisan’ireo mpitarika mafana fo ny jeneraly Dolin, ary lohalaharana nitarika ny olona haka ny lapan’Ambohitsorohitra izy ny 7 febroary 2009. Mazava ny resaka eto fa tsy vitan’ny hoe mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny FAT ity jeneraly misotro ronono ity fa mpinamana akaiky aminy ihany koa Atoa Raharinaivo Andrianatoandro filohan’ny Kongresin’ny tetezamita kosa dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo mpamadika palitao. Olon’ny Ankolafy Ravalomanana, tonga dia niova foto-kevitra sy tanjona izy. Tany am-boalohany dia mbola nanantena ihany ireo zanak’i Dada fa mbola azo itokisana Raharinaivo.

Rehefa nandeha teny anefa ny andro sy ny volana dia hita mibaribary ny fiandaniany tanteraka amin’ny filohan’ny FAT ary noporofoiny tamin’ny lahateniny teny Iavoloha ny 26 jona 2011 lasa teo izany ka nilazany tamin’ny alalan’ny sariteny fa lasa ny sambo ka miditra izay miditra, ary izay tsy te handeha mijanona. Fehiny dia tsy mety intsony raha izy mirahalahy izay hita fa tena miandany amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ireo no mbola hitantana ny parlemantan’ny tetezamita, ary azo antoka moa fa raha miseho amin’ny endriny vaovao ny parlemanta dia tsy maintsy hisy indray ny fifidianana ny birao maharitra, ary azo eritreretina tsara mihitsy ny hiovan’ny filoha.

Efa nandeha be ny resaka hatramin’ny herinandro lasa iny fa ny ankolafy Ratsiraka na izay vondrona mifanakaiky aminy no hahazo ny toeran’ny praiminisitra, ny ankolafy Ravalomanana no hahazo ny toeran’ny filohan’ny CT ary avy amin’ny GFC (centriste) no hibata ny toerana’ny filohan’ny CST. Ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI moa dia mbola resaka hafa, satria tokony ho teknisianina sy olona tena tsy momba ny atsy na ny aroa no mipetraka ao fa raha hoe hifampizaran’ny vondrona politika daholo ny toerana ao dia ho raharaha ny resaka voka-pifidianana eto. Ny momba ny HCC na fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana indray dia resaka tena saropady ary mila fandinihana lalina satria mety marobe ny zava-miafina nitranga tao tamin’ireny 2009 ireny, ary manahirana tahaka ny CENI ihany raha toa ka hoe : samy hampiditra mpitsara ambony tsirairay avy ao ireo vondrona politika.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT