Afa-po tamin’ny fanendrena ho praiminisitra an’Atoa Beriziky Omer ny UDR-C, hoy Atoa Andriantsizehena Benja Urbain, sekretera jeneraliny.
Tokony handefitra ny mpanao politika tsirairay ankehitriny, hoy izy. Efa nandefitra ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tamin’ny nanekeny ny nanesorana ny praiminisitra Camille Vital. Nandefitra koa ny jeneraly Camille Vital matoa nanaiky nametra-pialana tamin’ny toerana naha praiminisitra azy. Nandefitra ny UDR-C, nandefitra ny TGV, matoa tsy nanolotra kandidà ho praiminisitra. Nandefitra ny profesora Zafy Albert matoa nanaiky ny nanolotra praiminisitra araka ny tondrozotra, izy anefa fantantsika fa tsy manaiky ho filoha an’Atoa Andry Rajoelina. Nandefitra koa ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert izay fantantsika fa betsaka amin’izy ireo no manampahaizana mendrika ny toerana nefa dia kandidà tokana dia Atoa Beriziky no natolotry zareo. Aminay izany, hoy Atoa Andriantsizehena Urbain dia mila manao dingana koa Atoa Monja Roindefo sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fandeferana raha toa ka tena tia tanindrazana marina izy ka vonona hitady ny lalana hivoahana amin’ny krizy amin’izao fotoana izao.
Mikasika ny fanendrena minisitra vaovao dia nilaza ity mpanao poltika ity fa : ny ao anaty tondrozotra dia tsy misy hoe “clé de répartition” izany fa samy manolotra anarana avy any amin’ny praiminisitra ny vondrona politika rehetra nanao sonia an’io tondrozotra io dia izy indray mitondra izany any amin’ny filohan’ny tetezamita ka ity farany no manendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Dia ankinina amin’izy mirahalahy mianaka izany ny fanendrena ireo minisitra fa tsy misy adivarotra toerana mihitsy ao fa izay no efa nampandamoka ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba. Efa manana lisitra matotra atolotra ny praiminisitra ny UDR-C ary azo inoana fa mety mbola ao anatin’izany ireo ministra 5 avy amin’izy ireo nandrafitra ny governemanta farany teo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.