Nanolotra kandidŕ ho senatera any amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa ny FIMA na Firaisankinan’ny Malagasy,
lisitra tarihin’Atoa Rakamisilahy Martial, izay Ben’ny tanànan’i Manakara teo aloha, efa solombavambahoakan’i Madagasikara in-droa, ary efa Lehiben’ny Faritr’i Vatovavy Fitovinany tamin’ny fiandohan’ny tetezamita koa. Tena anisan’ny sarotiny izy amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy i Andriantsizehena Benja Urbain depiote voafidy tao Manakara sady Sekretera Jeneralin’ny RPSD no filohan’ny fikambanana FIMA.
Sahirana ny Ben’ny tanàna amin’ny “subvention” homena azy ankehitriny ka ezahan’ny kandidà Rakamisilahy Martial sy ireo mpiray lisitra aminy ny hijery izany miaraka amin’ny Governemanta satria aza adinoina fa mpanolotsain’ny governemanta koa ny senatera ankoatra ny asa fanaovan-dalàna hosahaniny. Praograman’asan’ny lisitra Rakamisilahy Martial ny hitondra tolo-dalàna amin’ny tokony hahazoan’ireo Ben’ny tanàna manerana ny nosy karama isam-bolana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.