Politique

Andriantsizehena Benja Urbain Lasa filoha vonjimaikan’ny RPSD Vaovao


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Voatendry filoha vonjimaika hitarika ny antoko RPSD Vaovao, Atoa Benja Urbain Andriantsizehena fa aorian’ny kongresy izay ataon’ny antoko no hametraka ny birao maharitra izy ireo.

 

 Araka ny fanazavana voaray, aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna no hanao io kongresy io,. Voalaza fa efa zokiny sady efa nahazo taona ny filoha mpitarika Atoa Marson Evariste ka nijanona. Araka ny fanazavan’ny filoha vonjimaika, hanana kandida manerana ny nosy ny antoko, amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Manana olona izy fa ny enti-manana no manify. Ny eto Antananarivo Renivohitra ihany no tsy manolotra kandida izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Ao anatin’ny kongresy izay ataon’ny antoko io, no hanamboarana ny rafitra rehetra mikasika ny ho avin’ny antoko. Marihina fa mandeha irery ary tsy miaraka amin’ny antoko hafa ny Rpsd Vaovao amin’io fifidianana ben’ny tanàna io, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT