Andrianjato Vonison

«Hafahafa io lalam-bola tadiavintsika hiarahana amin’i Rosia io»


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Tsy afaka hiala amin’izao tontolo izao satria tsy afaka hiolonolona samirery isika,

hoy ny mpanao gazety sady mpahaiolona politika na «anthropologue politique», Andrianjato Vonison. Tokony hanana paikady anatin’izany, hoy izy, i Madagasikara ahafahana miatrika izay mety hitranga eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Iaraha-mahalala ny zava-nisy tanatin’ny 4 taona farany toy ny adin’i Okrainina, ny fifanoherana ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’ny amerikanina sy sinoa, ny rosianina izay miezaka mamondrona ireo firenena aziatika madinika na «Asie mineur» sy ireo firenena tsimatimanota tahaka an’i Korea avaratra sy Iran. Fefika ao anatin’ilay adin’ny Okrainina nefa izy dia sahirana ihany ao anatin’izany rehetra izany ary isika eto Madagasikara ao anatin’izany rehetra izany dia tahakan’ny akoho kely notsipazam-potsimbary. Tsy fantatra izay ho aleha. Hatreto isika mbola voafehy ao anatin’ilay fifanarahana amin’ny banky iraisampirenena sy tahirim-bola iraisampirenena na FMI. Naverin’ny FMI mba ho tena andeha amin’ny laoniny ny fifanarahana amin’i Madagasikara. Misy ny fepetra napetraky ny FMI sy banky iraisampirenena izay tsy maintsy natao ho arahana na «cadrage macro-économique». Ny fanjakàna malagasy hatramin’izao tsy manana izay «cadrage macro-économique» izay dia voatery tsy maintsy miantehitra amin’ireo. Tsy misy nefa ny FEC avy amin’ny FMI. Tsy maintsy hisy fiantraikany iny fanambaràn’ny malagasy niarahany tamin’ny rosianina iny satria fantantsika fa ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-bola eto ambonin’ny tany dia tsy maintsy izay «cadrage» avy amin’ny FMI izay. Ny fifanarahana tamin’ny rosianina tsinona dia miverina ny tantara. Tsy misy zava-baovao eto ambonin’ny tany fa ny eo ihany no miverimberina. Rehefa fefika ianao ao anatin’ny lalam-bola matanjaka mahazatra dia tsy maintsy mijery irika hahafahana miditra amina lalam-bola hafahafa. Hafahafa satria ny rosianina aza tsy manana banky foibe afaka miantoka azy eto an-tany fa ilay antsoina hoe «réseau swift» na banja malalaka no ahafahany manao fifanarahana ara-barotra iraisampirenena. Mbola miantehitra amin’ny tandrefana izy izany raha eo amin’ny ara-bola sy ara-barotra no resahina. Izay no ilazàna hoe hafahafa io lalam-bola tadiavintsika hiarahana amin’i Rosia io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT