Andrianjato Vonison

«Fahendrena ny an’ny FFKM raha misintaka!»


  • Alarobia 22 Mey 2024

Tsy misy fahavononana ny fitondrana andeha handamina ny lalao ao anatin’izao fifidianana izao,

hoy ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 ao amin’ny boriboritany faha 4, Vonison Andrianjato. Izy mihitsy, hoy izy, no manakorontana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny filohan’ny repoblika efa ambaran’ny lalàna fa tsy mahazo mandray anjara amina raharaha politika politisianina dia mbola miroboka izy no sady manao ny ankanjon’ny antokony no mbola tena manao propagandy. Heverina fa tsy nisy noraisiny mihitsy ny tamin’ny tantaran’ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Fahendrena, noho izany, ny an’ny FFKM raha misintaka manoloana izany fihetsika tsy misy fahavononana hiditra amin’ny fahalalam-pomba ara-politika izany! Izahay moa efa niresaka ilay fahalalam-pomba ara-politika amin’ny fanoherana na «opposition intelligente» izay tokony hitondrana ny fanoherana eto amin’ny firenena. Miezaka izahay mandamina izany amin’ny fisainana sy fomba amam-panao. Izay no mahatonga antsika hisarika hoe tokony hisy ny revolisionina eto Madagasikara. Ny revolisionina hatao izany dia hisarihana ny lalan-kevitra demokratika, izany hoe, fandraisan’ny be sy ny maro anjara amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny tany sy ny firenena. Raha ireto olona 25% ireto no hahazo fanjakana dia hamiravira toy izao ny fitantanana ny fanjakana dia heverina fa tsy mety. Tomponandraikitra feno amin’izay hitranga eto ny filoha Rajoelina sy ny governemanta tarihiny. Tsy hiteraka zava-tsoa ho an’ny firenena na kely aza izao ataon’ny mpitondra fanjakana izao. Ny fitondram-panjakana mandidy dia homana satria raha ny marina tsy misy CENI tokony ho vatsian’ny fanjakana vola izany. Tokony hoe misy ny «Basket found» na ilay sobikabe iombonana iarahana amin’ny vondrona iraisampirenena. Ny fanjakana indray nefa no mibetrobetroka. Manao «persona non grata» na ny olona ho tsy ilaina ary ilay mpamatsy vola lehibe indrindra an’i Madagasikara, lehibe moa satria ny frantsay no mpamatsy voalohany hatramin’izay ary ao anaty vondrona eoropeanina, ny vondrona eoropeanina izay manome vola tsy averina. Tena manao sotasota ny raharaham-pirenena ireto mpitondra fanjakana ireto. Any amin’ny vahoaka izao ny baolina. Tsy misy intsony ny elanelam-panahy satria hoe nisintaka ny FFKM. Tsy misy ny finiavana hanadio ny kianja satria io no ataon’ny fanjakana. Managadra olona! Moramora ve izany hoe mamoaka programan’ny filoham-pirenena dia migadra? Filohan’ny repoblika dia manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Na hihetsika izy na sanatria aza hoe hanapa-kevitra hipetraka eny Iavoloha amin’izay fa tsy ho any Ambatobe na Betsizaraina intsony na Ambohitsirohitra dia tokony ho fantatry ny vahoaka. Ny vahoaka no miantoka ny fitandroana ny ain’ny filohan’ny repoblika. Ity filoham-pirenena ity hatramin’izay nahafantarako azy dia tsy milaza akory hoe ho any an-dafy na ho any Maorisy hijery ny fianakaviany. Tsy misy misakana izany fa fara-faha ratsiny mba misy fahalalam-pomba milaza hoe ho any an-dafy aho fa izao no azo taterina aminareo. Izay no hamerenako hoe tomponandraikitra ny filoham-pirenena sy ny governemantany raha misy zava-mitranga eto. Macron mivoaka, 4 volana mialoha dia efa fantatra hoe ho atsy. Joe Biden koa toy izany. Na io praiminisitra israelianina anaty tany miady io aza fantatra hoe ho atsy rehefa mivoaka. Ny mpitari-tafika ao Okrainina milaza hoe ho ary aho. Maninona eto no sazy no azo rehefa milaza an’izany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT