Ao anatin’ny adihevitra politika goavana tahaka ny eto amintsika, manana ny heviny momba izany indrindra ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), na tsy dia re feo izy ireo tato ho ato tao Toamasina.
Tafaresaka tamin’i Andrianiarifera Malalaniaina, fantatra amin’ny solon’anarana «Tonton Naina», izahay. Mpikambana eo anivon’ny Reg-TIM izy, mpikambana sy mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana ary ao antin’ny ankolafy Madagasikara ao Toamasina ihany koa.
Tia Tanindrazana (T.T): miarahaba anao «Tonton Naina», tsy re loatra ny TIM Toamasina tato ho ato izay, inona no anton’ilay fahanginana ?
Tonton Naina (T.N) : miarahaba anareo ihany koa. Tsy hoe nangina ny TIM na tsy re tetsy sy teroa aza, fa niasa nangina teny hatrany ary nanaraka hatrany ihany koa ny raharaham-pirenena. Marihina fa tao anatin’izao krizy izao, dia tsy ny TIM irery ihany no nahatsapa fa nisy fanonganam-panjakana miaramila-sivily teto, fa ny Malagasy manontolo. Noho izany, tsy nandeha irery ny TIM nitaky ny famerenana ny ara-dalàna, fa niaraka tamin’ireo Malagasy sy antoko ary fikambanana maro nahatsapa izany, ka tao anatin’ilay ankolafy Ravalomanana no niasa sy nitolona ny TIM. Taty aoriana moa, nisy ireny fifanarahana vita sonia tany Addis Abeba sy Maputo ireny, nefa tsy nampiharina ka mampitarazoka ny krizy, dia lasa nitolona amin’ny fampiharana izany teo anivon’ny ankolafy Madagasikara. Tsy hoe nangina izany ny TIM hatramin’izay, fa nampanginina ny anarana aloha satria tolona iarahana amin’ny rehetra no atao hamerenana ny firenena ao anatin’ny ara-dalàna.
T.T: Misy hetsika manokana ve izany hatao ato ho ato ho anareo TIM aloha, fa tsy amin’ny maha ankolafy hiarahana anareo ?
T.N : Misy tokoa ny hetsika hatao ato ho ato, ka tonga dia asa avy hatrany no atao ao anatin’izay saingy mbola misy fandaminana kely fotsiny aloha. Raha ny vinavina aloha dia hatomboka amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny samy mpikambana izany.
T.T : Momba izay raharaham-pirenena izay, ahoana ny fahitanao azy ankehitriny, efa namoaka ny fehi-keviny rahateo ny GIC-M momba ny krizy eto amintsika sy ny famahana azy ?
T.N : Efa miha-henjana ny sehatra iraisam-pirenena, midika izany fa miha miditra lalina ao anaty krizy koa isika, ka mahatsapa ny fahoriam-bahoaka sy ny fiziriziriana amin’ny heviny sy ny tsy mety ataon’ireo mpitondra ankehitriny. Amiko aloha dia ilaina ny fampiharana ny sazy ho an’ny mpanapotika ny firenena, fa ny maika ihany koa dia ny fanerena azy ireo haingana koa hialana amin’izao olana izao. Raha ampiharina rahateo ny sazy isam-batan’olona ho an’ireo sakana amin’ny firosoana fandaminana ny olana, dia tokony hatao maika sy haingana fa efa mahantra ny vahoaka, tsy mihodina ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Marina fa milamina i Toamasina raha jerena maika, fa misy zava-miafina ao ambadik’izay. Ho an’ny ankolafy misy anay, dia ampiharo ny Maputo sy Addis Abeba, izay ihany dia milamina ny firenena !
T.T : Misy ny fe-potoana hatramin’ny 16 martsa nomen’ny GIC-M hiverenan’ny ankolafy Rajoelina amin’ny fanampahan-keviny. Raha tsy izay no mitranga, hanao inona ianareo ?
T.N : Ity tolona ity dia nankinina hatrany tamin’Andriamanitra hatrany am-boalohany tamin’ny taona 2009. Miasa io Andriamanitra io, ary mihaino vavaka izy, satria tonga tamin’izao fanapahan-keviny izao ihany ny mpanelanelana antsika. Raha amiko tsy hitako izay tsy tokony hampilamina azy, satria ny soratra mitoetra ary ny sonia natao no vavolombelona; ka izay vita sonia dia vita, ary tsy maintsy arahina. Ny tohiny ho hita miandalana eo ihany.
T.T: Anisan’ny niharan’ny antsojay ianao nandritra ny taona 2009 iny, nosavaina trano, nantsoina teny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny maro hafa. Mbola misy ary ve ny sakana ho anareo ankehitriny ?
T.N : Marina tokoa fa niharan’ny fanenjehana politika sy hazalambo ara-politika ny tenako, tsy izany anefa no nampangina ny TIM na mpitantana teo anivon’ny Reg-TIM aza aho. Fifandaminana no natao ary ny mitabe tsy lanin’ny mamba, dia niasa teo anivon’ny ankolafy izahay. Tsy ireo antsojay ireo anefa no olana, na mbola misy ankolaka aza hatramin’izao, fa resaka politika sy fikatsahana tombontsoam-pirenena no atao, ka ilaina hatrany ny teny hierana sy fandraisana fepetra iombonana.
T.T: Inona ary ny fehin-teninao mikasika izay resaka nifanaovana teto izay ?
T.N : Tolona ho an’ny fanafaham-pirenena no atao, tolona iadiana amin’ny fanongam-panjakana no misy; mila firaisan-kina sy fitsinjovana ny Malagasy izany. Ilaina noho izany ny fahatsapana amin’ny rehetra mpanao politika tahaka anay, ny fanalana ny hambom-po, ny lolom-po ary indrindra ny fanajana ny teny nomena sy ny sonia natao teo imason’izao tontolo izao. Ho an’ny TIM manokana kosa, tsy mijanona ny tolona raha tsy efa mipetraka ny ara-dalàna sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.
RTT sy Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.