“Aoka hazava tsara fa mpanao sy mpandany lalàna ny solombavambahoaka fa tsy olona hanao lalana mihitsy. Mifangaro voraka mantsy ny asan’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna eto amintsika, ka sahirana ny vahoaka Malagasy”, hoy i Andrianiarifera Malalaniaina (Naina) kandidan’ny Malagasy Miray sy Mifankatia (MA.MI.MI), fikambanana ao anatin’ny vondrona Taratr’i Madagasikara, ary mivondrona eo anivon’ny Komity Manohana ny Dr Robinson Jean Louis (KMDR) Toamasina ihany koa. Nomarihan’ny kandida Naina fa “mila fampandrosoana haingana isika noho izany mila depiote mahay tsara ny asany satria lalàna vaovao tsy hiverimberenan’ny krizy sy solombavambahoaka tena matahotra an’Andriamanitra ary olona vonona hanavao ireo lalàna lany andry sy lany daty no tokony hipetraka eo”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.