Nodimandry omaly tamin’ny 2 ora maraina tao an-tranony teny Ambolokandrina teo amin’ny faha-70 taonany atoa Andrianantenaina Pierre filoha nasionalin’ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara vaovao.
Mpanao politika anisan’ny nalaza noho ny tolon’ny hery velona tamin’ny 1991, niara-dalana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009 i Andrianantenaina Pierre. Mpikambana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita(CST) izy nony avy eo ary mbola nijanona tao amin’ny vondrona Mapar ihany hatramin’izao nindaosan’ny fahafatesana azy izao. Efa nampianatra teny amin’ny oniversite teny Ankatso i Andrianantenaina Pierre ary tompon’ny haino aman-jery Farimbona ihany koa.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.