Andrianandraina Ralitera

> Tsy azo ekena intsony ny tsy maty manota


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Samy manana ny fandraisany ny tafatafa nataon’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry Nirina tamin’ny gazety an-tsoratra frantsay «Le Monde» tamin’iny faran’ny herinandro teo iny ny olom-pirenena malagasy.

Amin’ny ankapobeny dia sadaikatra sy valalanina tamin’ireny fomba fiteny tsy dia nampoizin’ny maro nambarany ireny ny mpanara-baovao rehetra. Niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina rahateo iny fomba fijerin’ny lehiben’ny andrim-panjakana mpanatanteraka eto amin’ny firenena iny. Tao ireo sosotra naheno izany, tao ihany koa anefa ireo mihevitra fa fomba fiady ara-politika daholo izany. Ny fantatra kosa anefa dia tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny tondrozotra sy ny lalàna mifehy ny fifidianana iny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita iny. Andrasana moa izay ho fihetsiky ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ary torak’izay ihany koa ny ambaran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ho an’ny talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana teo aloha, Andrianandraina Ralitera manokana dia «tsy fotoanan’ny tsy maty manota intsony izao». Mila manaraka ny voalazan’ny lalàna ny tsirairay, indrindra fa ireo tomponandraiki-panjakana ao anatin’ny tetezamita. Raha tsy misy mantsy ny arofanina momba ny fandikan-dalàna eto amin’ny firenena, hoy izy dia mbola hanjaka ihany ny gaboraraka sy ny tsy refesi-mandidy izay ahiana hitondra any amin’ny tsy fitoniana sy ny filaminana izay tena laharam-pahamehana ary niaretan’ny vahoaka efa ho 5 taona latsaka izao. Tsy eken’ny sainy ihany koa ny mbola fisian’ny fisamborana olona maneho ny heviny amin’izao fotoana efa hirosoana amin’ny fifidianana izao. Aminy dia efa mariky ny fatahorana ny vokatry ny ho latsabato ataon’ny olom-pirenena feno taona ireny fihetsika ireny. Izany rahateo no nahatonga ity gadra politika tamin’ny taona 2009 ity nirotsaka hofidiana solombavambahoaka ao amin’ny boriborintany faharoa satria aminy dia tonga ny fotoana andraisany andraikitra ho an’ny firenena.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT