Fihaonan'ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, tamin'ny mpikamban’ny antoko politika tarihiny dia ny MMM na Malagasy miara-miainga, tao Antsirabe ny zoma teo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.
Ilaina hapetraka ny fahaiza mitantana, hoy ny filohan’ny MMM. Na eo aza ny fihavanana dia mitaky politika sahy sy hentitra isika. Tsy ijerena arina an-tava ny fitantanana raharaham-pirenena ka hanaovana kolikoly sy kiantranoantrano. Mila mpitondra hotarafina manaraka soatovina sy fihavanana isika ahafahana mandray anjara amin'ny fampandrosoana. Nametraka ny fitsinjaram-pahefana ny MMM amin'ny fomba fitantanana ary mifandraika amin’ny soatovina sy ny toetsaintsika izany. Tokony hozaraina ny fahefana sy ny andraikitra eny ifotony ary hapetraka ny fifampotikisana. Mila miray hina hanao ny fampandrosoana. Fomba fitantanana mahomby ny fitsinjaram-pahefana ary fototra mampandroso ny firenena koa ny fifanomezan-tanana avy amin'ny tsirairay miaraka amin'ny fanomezan-danja ny soatoavina Malagasy. Afaka mahaleotena ny eny ifotony amin'io fitsinjaram-pahefana tena izy io, hoy hatrany ny tenany. Nihaona tamin'ny vahoakan'ny kaominina Antohibe, distrikan'i Betafo indray moa izy ny sabotsy. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaham-panjakana ka mikorosy fahana ny fiainam-bahoaka, hoy izy. Mila sahy manova isika. Tsy tokony iandrasana ny fanjakana foibe ny vina fampandrosoana fa tokony samy mandray ny tandiry azy ny tomponandraikitra isan-tokony mba hipaka amin'ny eny ifotony ny fitsinjaram-pahefana. Aoka tsy hifamitaka isika ka hilaza fa mandeha ny firenena. Ny itarafana sy andrefesana fa mandroso ny firenena dia ny ao am-bilan’ny isan-tokantrano ihany. Hiatrika fifidianana isika ka entanina ny rehetra hisoratra anaty lisi-pifidianana sy hanara-maso izany ary koa tsy hivarotra safidy satria zava-dehibe izany ho fanovana ny tantaram-pirenena, hoy hatrany ny tenany. Nitondra fitaovana hanampiana ny kaominina ho an'ny fampandrosoana moa ny filoha nasionaly satria adidin'ny antoko ny manampy ny ben'ny tanàna MMM, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.