Andriamiharivolamena Liva

Zavamanitra «Aoka izay ny adilahy politika!»


  • Alarobia 12 Jona 2024

Kihon-dalana lehibe no natrehin'ny firenena tamin'ny fifidianan’ireo vahoaka eny ifotony ireo olona hampindraminy

fahefana hisolovava azy eny amin'ny Antenimierampirenena amin'ny fandinihana sy fandanina ireo lalàna entina mampandroso an'i Madagasikara, hoy ny kandida depiote tao Fandriana, Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra. Mankasitraka tanteraka ny CENI sy ireo mpisehatra tamin'ireo asa rehetra mialoha sy mandritra ary taorian'ny fifidianana solombavambahoaka izay niaraha-nahita anio (TTF: omaly) ny vokam-pifidianana vonjimaika, hoy izy. Ho an'ny Distrikan'i Fandriana any amin'ny Faritra Amoron'i Mania dia hita sy tsapa fa tena miandrandra fampandrosoana ary tena mitaky izay fampandrosoana izay ny vahoaka. Raha ny vokatra vonjimaika navoakan'i CENI androany dia ny Kandidà Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra mitondra ny laharana voalohany no voafidin'ny vahoaka ho Solombavambahoakan'i Fandriana ary raha ny PV na firaketana an-tsoratra eto am-pelatananay dia mitovy tanteraka amin'ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI. Misy amin'ireo kandidà mpifaninana no milaza hametraka fitoriana manoloana izay safidin'ny vahoaka izay. Zon'ny kandidà ny mametraka fitarainana fa tsara ny manamarika fa tsy kandidam-panjakana i Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra ary tsy nanana fifaneraserana tamin'ny rafi-panjakana. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny taona 2013 izahay no nitaiza sy nanampy ny vahoakan'i Fandriana tao anatin’ny Tetikasa Zavamanitra izay mbola hitohy hatrany. Andraikitry ny solombavambahoaka ny mihaino ny tenenin’ny vahoaka. Tsy hanavahako antoko politika, sarangan’olona na fivavahana fa rehefa hampandroso dia hiarahako miasa avokoa. Mangetaheta fandrosoana sy fiovana izy ireo. Hitondra sy hiady ho an'izay fampandroasoana izay no ho ataoko eo anivon'ny Antenimieram-pirenena satria izay voafidim-bahoaka eo dia tsy solombavambahoakan'ny antoko na olom-bitsy fa solombavambahoakan'i Madagasikara, hiaro ny tombotsoan'ny vahoaka malagasy. Aoka zay ny adilahy politika ary manentana ny rehetra hiandry am-pitonianana ny voka-pifidianana ofisialy ho avoakan'ny HCC, hoy hatrany ity kandida ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT